Fitsipika dimin’ny mpiasa mahatoky

Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Aogositra 2026

Sal.23:1-6 / Hira 12.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 340

Salamo 101,1 - 8
1 [Fikasan'ny mpanjaka ny amin'ny hitondrany marina ny fanjakany] Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko. 2 Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga at? amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho. 3 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany. 4 Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka* iza ratsy aho,[Heb. hahalala] 5 Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po; 6 Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy. 7 Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga. 8 Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.

Fitsipika dimin’ny mpiasa mahatoky:

Ny Salamo faha-101 dia iray amin’ireo Salamo anambaran’i Davida ny fikasany ny amin’ny hitondrany marina ny fanjakany (sora-mandry eny ambony).

Zava-dehibe tamin’izany ny toctran’ny Mpanjaka satria izy no modely ho an’ny vahoaka.

Mila toetra mahatoky ny maha-mpitarika (toy ny mpanjaka) ka hianatra ireto Fitsipika dimy mahatsara ny fitantanana ny fiainam-piarahamoninana nananan’i Davida ireto isika:

  • 1-Fitandrovana ny rariny sy ny hitsiny ho fanehoana ny voninahitr Andriamanitra (and.1)
  • 2-Fahitsiam-pitondrantena na dia any amin’ny takona tsy hitan’ny olona aza (…ao an-tranoko…, and.2)
  • 3-Fandavana ny ratsy sy ny fitaka ka sady tsy manao izany no tsy mankasitraka an’izay manao an’izany (and.3-5)
  • 4-Fifidianana olo-marina sy mahatoky hiaraha-miaina sy hiaraha-miasa (and.6)
  • 5-Famongorana tsy ankiato (isa-maraina) ireo faharatsiana manimba ny fiaraha-monina, dia ny tananan’Andriamanitra (and.7-8)

Fampiharana ho antsika kristiana:

Toe-panahy sy fomba fiaina teo amin’i Jesoa Kristy koa ireo ka tokony halaintsika tahaka. Namindra fo tamin’ilay vehivavy azo olan-tanana nijangajanga izy nefa koa namaky bantsilana ny haratsiam-panahin’ireo Fariseo sy mpanoradalana nihatsaravelatsihy. Tsy nanaiky ny fanangolen’ny devoly izy raha nalaim-panahy sady nandroaka sy nandrava ny asan’i satana.

Fanontaniana

Inona na aiza avy ireo sehatra maha-mpitarika anao ka azonao hampiharana ireo fitsipika dimy ireo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Talata, 18 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino Misy asa fanompoana karazany roa azo tarafına amin’izao Soratra Masina…

Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Alatsinainy, 17 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino 1-Tsy miovaova hevitra (and.17-20) Eto ny Apostoly Paoly dia miresaka…

Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Alahady, 16 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino. 1- Tsy manao izany ho fahazoam-pamonjena (and.8-9) Ny famonjena dia…