Fampitandremana ny amin’ny fampianaran-diso

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Aogositra 2026

Sal.24:1-5 / Hira 643:1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 469:4

Joda 1,17 - 23
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy] 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.

Fampitandremana ny amin’ny fampianaran-diso

Ny Epistily nosoratan’i Joda dia mampitandrina fatratra noho ny fisian’ ireo mpampianatra sandoka manao fampianaran-diso izay mitondra korontana sy fisaraham-bazana. Tsy nahatoky tamin’ny fampianarana sy ny fanompoana nomena azy izy ireny ka tonga mpaniratsira nentanin’ny haratsiam-panahy. Ho fisorohana izany amin’ny andro ankehitriny dia entanina isika mba:

1- Handroso amin’ny finoana masina indrindra (and.20a)

Ny hoe « mandroso » dia miala eo amin’ny toerana misy ny tena ka manao dingana mankany aloha kokoa. Noho izany dia tena ilaintsika ny manao dingana « mandroso » ara-pinoana: ny vita batisa miroso ho katekomena, ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo miroso ho diakona, << fa isika tsy mba naman izay mihemotra >> (Hebreo 10, 39). Ny dingana ara-pinoana resahina eto, dia izay mampanakaiky antsika kokoa an’i Jesoa fa tsy fivilianan-dalana tahaka ny an’ireo mpampianatra sandoka izay tonga mpaniratsira ny finoana.

2- Hivavaka ao amin’ny Fanahy Masina (and.20b)

Hoy ny Dikanteny Iombonana (DIEM): « mivavaka omban’ny herin’ny Fanahy Masina ». Koa ny vavaka dia tokony ho tarihin’ny Fanahy Masina ka tonga mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, ary ny finoana dia ampaherezin’ny Fanahy Masina ka tena feno fahatokiana handray valim-bavaka. Fomba iray ifandraisana amin’Andriamanitra ny vavaka (miresaka amin’ Andriamanitra). Amin’ny maha-olombelona marefo anefa dia tsy ho haintsika mihitsy ny hifandray am-pahamasinana amin’ Andriamanitra. Izany no ilåna ny Fanahy Masina izay mamonjy ny fahalementsika (Romana 8:26).

Fanontaniana:

Ahoana no hilazana fa << diso » ny fampianarana iray?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mpanompo tsara sady mahatoky

Zoma, 21 Aogositra 2026

« Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka…

Jesoa Kristy, mahatoky amin’ny asany

Alakamisy, 20 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino, ary modely tena tsara halain-tahaka amin’izany fahatokiana izany i Jesoa.…

Fitsipika dimin’ny mpiasa mahatoky

Alarobia, 19 Aogositra 2026

Fitsipika dimin’ny mpiasa mahatoky: Ny Salamo faha-101 dia iray amin’ireo Salamo anambaran’i Davida ny fikasany…