Aza mitsara

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Martsa 2026

Sal 117 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 476.1.2

Matio 7,1 - 5
1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo. 2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. 3 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao? 4 Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin'ny masonao? 5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.

Aza mitsara

1-Aza mijery ny sombin-kazo  eo amin’ny mason’ny rahalahinao.

Aseho amin’ny alalan’ny sombin-kazo ny fahitana ny fahadisoan’ny hafa. Mora amintsika ny mahita ny fahadisoan’ny hafa, kanefa dia toa jamba manoloana ny fahadisoantsika. Melohin’i Jesoa ny fahazarana manakiana olona, kanefa ny fahadisoan’ny tena odian-tsy jerena. Tsy maintsy manaraka ny fenitra ara-drariny aloha isika vao afaka miteny ny hafa sy handresy lahatra hampiova azy. Ry havana, mitaona antsika ny Soratra Masina anio mba hialantsika amin’ny fitsaratsarana ny hafa, izay miteraka fiangarana sy fitsarana ivelany. Andeha hoesorina aloha izay tsy mety eo amintsika, na dia noheverina ho kely aza, satria raha tsy afaka izany dia mirona amin’ny fitsarana ny hafa isika. Jereo aloha ny tenanao vao miteny ny hafa.

2-Esory ny andry eo amin’ny masonao.

Sombin-kazo no ilazan’ny mpanoratra ny Filazantsara ny fahotanan’ny hafa, fa andry kosa no anambarany ny fahotanao. Ny hoe andry dia ilazana ny fahalehibiazana raha ampitahaina amin’ny sombin-kazo, izany hoe sary anoharana ny fahalehibiazan’ny fahadisoana. Ry havana malala, jereo aloha ny tenanao vao miteny ny hafa satria Andriamanitra irery ihany no mpitsara marina. Izy no llay hitsara ny velona sy ny maty (Jao 5. 22,29; II Tim4. 1) sy ny zava-miafina ao am-pon’ny olona (Rom 11.33). Koa raha miroso amin’ny fandinihan-tena isika dia asa miandry antsika ny manaisotra ny andry eo amin’ny masontsika, satria io no manakana ny famonjena avy amin’Andriamanitra. Raha tsy afaka io dia mirona ho amin’ny fitsarana ny hafa mandrakariva isika. meteza ianao

Fanontaniana:

Mety amintsika mpanara-dia an’i Kristy ve ny mitsara ny hafa?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Tsy hireharehana ny fiantsoan’Andria...

Alakamisy, 26 Martsa 2026

Tsy hireharehana ny fiantsoan’Andriamanitra 1-Hevero ny fiantsoana anareo Andriamanitra dia miantso mandrakariva, ary miantefa amin…

Ny mpanompo miroso amin’ny fandiniha...

Alarobia, 25 Martsa 2026

Ny mpanompo miroso amin’ny fandinihan-tena. 1-Manaiky ny fiaiken-keloka Fantatr’i Davida tsara fa mpamindra fo sy…

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Talata, 24 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1-Manana fiainam-pankatoavana sy fahatokiana Izay ambara amin’izao mofonaina izao…