Andriamanitra tia ny vahoakany
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Martsa 2026
Sal.29.1.2 / Hira 16 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Vavaka / Hira 164
Ezekiela 16,1 - 8
1 [Ny nivadihan'i Jerosalema, sy ny nahafoizany an'i Jehovah, ary ny hamaliany azy amin'izany] Tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany, 3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao. 4 Ary ny amin'ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin'ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin'ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory. 5 Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin'ny andro nahaterahanao. 6 Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin'ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao. 7 Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany 8 Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.Andriamanitra tia ny vahoakany
1-Mananatra azy
« Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao. » (And. 3). Teny nataon’i Jehovah tamin’ny vahokan’i Jerosalema entina ilazana fa mbola ny toetran’ny Kananita ihany no ataon’ny firenen’i Joda, na dia efa vahoakan’Andriamanitra aza izy ireo. Lasa ra mikoriana ao anatin’izy ireo ny fanompoana ny sampin’ny Kananita. Kanefa dia tokony ho Jehovah no tompoiny. Anatra ho antsika Kristiana ankehitriny izany, rehefa nisafidy ny hanompo an’i Jesoa Kristy dia miala tanteraka amin’ny fanompoana ireo karazana sampy samihafa. Tsy mety eo anatrehan’Andriamanitra ny mampifangaro ny fanompoana Azy amin’ny sampy. Koa mialà amin’ny sampy fa manompoa marina an’i Kristy.
2-Mampahatsiahy ny fanekeny
« ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao….» (And. 8). Fihetsika fanaon’ny lehilahy amin’ny vehivavy halainy vady no nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely eto. « Fotoam-pitiavana », fanapahan-kevitr’Andriamanitra nifidy ny vahoakan’i Jerosalema ho vahoakany ka nanaovany fenekena. Ny mariky ny fanekena anefa dia ny fankatoavana ny lalana. Araka izany, safidin’Andriamanitra manokana ny fifidianany ny olona ho vahoakany. Mariky ny fihazonana ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny olona ihany koa ny fankatovan’ny olona ny didin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Koa ankatoavy ny Tenin’Andriamanitra, ary ny finoana an’i Jesoa Kristy no fototry ny fankatoavana.
Fanontaniana
Inona no mahatonga anao tsy mahafoy manary ireo sampy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe