FJKM Ambonin’Ampamarinana

TANTARA

165 taona lasa izay no navarina teo Tsimihatsaka ireo kristiana maritiora 14 mianadahy.
150 taona lasa izay no nisian’ny Fiangonana voalohany teto Ambonin’Ampamarinana

140 taona lasa izay no nitokanana ity trano vato fiangonana ity.

Ny tantaran’ny fiangonana miompana amin’ny fampahafantarana ireo olona mpanorina ny Fiangonana sy ireo nitondra azy ary ireo nanome aina sy nampivelatra azy no ho hitantsika ato amin’ity pejy ity.

FJKM AMBONIN’AMPAMARINANA

50 TAONA VOALOHANY (1864-1914) : Fiangonana miorina sy miorim-paka

Ny fisian’ireo Maritiora 14 mianadahy tamin’ny 28 marsa 1849 no nitarika ny fiorenan’ny Fiangonana teto an-toerana tamin’ny fanirahan’ny LMS ny misionera Benjamin Briggs mivady, tamin’ny faramparan’ny taona 1863 « hanorina Fiangonana ao Ambonin’Ampamarinana ho fahatsiarovana azy ireo » ; teo koa ny fisian’ny Renim-Piangonana telo, dia Ambatonakanga, Amparibe ary Analakely, tamin’ny taona 1861 raha tapitra ny « Tany maizina » fony Ranavalona I. Ireo Renim-Piangonana ireo no namatsy mpiangona ny Fiangonana folo najoro teto Antananarivo teo anelanelan’ny taona 1861 ka hatramin’ny 1869. Ny teto Antsahatsiroa/Ampamarinana dia mpiangona 25 avy tao Ambatonakanga notarihan’Andrianaivoravelona Josefa (29 taona izy tamin’izay) sy mpiangona 80 avy tao Amparibe notarihan-dRainikotomanga sy Rainizafy-Rabako no nanorina azy ary nampian’ny mponina sy ny manampahefana vitsivitsy tety amin’ny tanàna ambony. Tamin’ny Alahady 05 oktobra 1864 no tafajoro tanteraka ny Fiangonana Ambonin’Ampamarinana ary niova matetika ny toerany sy ny bikan’ny trano nisy azy noho ny hain-trano niverimberina sy ny fitarozahan’ny fanorenana ny tranovato. Ny Diakona voalohany tamin’izany Fiangonana izany dia Ingahy Rainizafy-Rabako, Rainisoandrazana sy Rainitavy (mpirahalahy ireto roa ireto) ary Ralainarivo. Nitombo ny isan’ny mpiangona dia nofidina ho Diakona koa Josefa Andrianaivoravelona sy Ralaitafika : ny taona 1865 io.  Ny 31 oktobra 1866 dia voafidin’ny Fiangonana ho mpitandrina azy i Josefa Andrianaivoravelona. Tsy hitsahatra izany raha tsy ny 01 aogositra 1897, raha sesintany tatsy amin’ny nosy La Réunion izy. Lasa renim-piangonana koa Ambonin’Ampamarinana ka mitondra Distrika ny mpitandrina J. Andrianaivoravelona sy ny misionera B. Briggs : manomboka ety Atsimon’Imahamasina ny « zana-piangonany » ka mipaka hatrany Mandridrano (Soavinandrina Itasy) any andrefana be any. Mavitrika ny Fiangonana sy ny Mpitandrina mandray fivorian-dehibe toy ny Isan’Enimbolana sy ny Isan-Kerintaona. Ny taona 1883 no nijoro ny Sampana voalohany teto am-piangonana dia ny Sekoly Alahady. Aoka ho tadidiana anefa fa talohan’ny Sekoly Alahady dia efa nanangana Sekoly Andavanandro ny Fiangonana tamin’ny 1867 ka Ingahy Rainijonson no mpampianatra voalohany tamin’izany. Ny 1891 no nitsangana tato am-piangonana ny Fikambanan’ny Tanora (STK hoy isika ankehitriny). Ny Bokim-Piangonana dia milaza koa fa nisy fito ny Diakona vehivavy tamin’izany ary teo amin’ny 100 teo no tontalin’ny isan’ny Mpandray.

Ny mpitandrina faharoa nitondra ny Fiangonana dia Andriamifidy, nanomboka ny 16 oktobra 1898. Efa diakona teto izy talohan’izay, voafidy tamin’ny 1868 niaraka tamin-dry Andriamanamizao sy Rainitandra. Tamin’ny andron’ny mpitandrina Andriamifidy ny Fiangonana no nanary ny famoriam-bola arahina fanononana ampahibemaso sy tehaka rehefa manao vokatra ka niditra tamin’ny fanaovana « Rakitra mangina » ; teo koa ny hoe satria maimaimpoana ny fahasoavana avy amin’ny Tompo dia tsy mba manao rakitra aorian’ny Fandraisana Ambonin’Ampamarinana. Izy koa no nampitsahatra ny fisian’ny Diakona vehivavy teto amin’ny Fitandremana (31 oktobra 1905) ary tsy niverina ny fisian’ny Vehivavy diakona raha tsy tamin’ny desambra 1995.

50 TAONA FAHAROA, (1914 – 1964) : Fiangonana mihamatotra sy mivelatra hatrany

Ity vanim-potoana faharoa ity no niainan’ny Fiangonana ny fahatsiarovana manetriketrika ny faha-75 taona namarinana ireo Maritiora sy ny Jobilin’ny Tranovato, feno 50 taona tamin’ny  29 sy 30 marsa 1924, fony nitondra azy ny Mpitandrina Henri Randzavola sy ny misionera Rev William Evans. Teto koa no nandao azy ny mpitandriny fahefatra, dia Johanesa Rakotovao izany raha nahazo antso avy tamin’ny fiangonana Loterana nihaviany izy. Rehefa nahaleo tena ny Fiangonana Protestanta LMS fahiny dia lasa FKM no anarany ary nanaraka izany Ambonin’Ampamarinana.

Nitondra ny Fiangonana ny mpitandrina Andriamifidy hatramin’ny 19 oktobra 1922, andro nahafatesany. Tamin’ny androny no nitsangana ny Sampana Vehivavy Kristiana Dorkasy tamin’ny 1917. Nihamatotra hatrany ny Fiangonana : nitondra distrika izy, navitrika tao amin’ny IEB sy ny fiatrehana ny asa hitambaran’ny Fiangonana protestanta réformé ho iray (Conférence Intermissionnaire).

30 taona katroka no nitondran’ny mpitandrina Henri Randzavola ny Fiangonana : 03 novambra 1923 ka hatramin’ny 21 desambra 1953, andro nahafatesany. Tamin’ny androny no nitsangana ny SAMPATI XIXe (Janoary 1951) sy nahazoan’ny Fiangonana ny orga Hammond, tsangambaton’ny faha-100 taonan’ny namarinana ny Maritiora izay nankalazainy tamin’ny 1949.

Nandimby ny mpitandrina Randzavola ny mpitandrina Johanesa Rakotovao, izay pastora loterana tany am-piandohana. Tamin’ny androny no nitsanganan’ny Sampana Vokovoko Manga (1959)sy nivoahan’ny gazety Fianaran-tsoa. 430 no isan’ny Mpandray voasoratra ho mpifidy tamin’ny fifidianana azy. Mpamita iraka matetika any ivelany ny mpitandrina Randzavola sy Rakotovao ka dia nisy loholona nisolo azy ireo tamin’izany, tena mpisolo mpitandrina tokoa. Nanomboka ny taona 1953 dia ing. Rasolofo Joseph 1 no tonian’ny Fiangonana ary tsy nitsahatra izany raha tsy tamin’ny avrily 1972 ; ny mpitahiry vola kosa dia Razafimbadà (1953-1957) nodimbiasan-dRasolofo Jean (1957-1967). Nanomboka ny taona 1958 dia tsy nisy intsony ny Distrikan’Ambonin’Ampamarinana izay nanomboka tamin’ny 1864 fa lasa I4B. Nisy ray aman-dreny tena to teny tamin’ny Fiangonana tamin’ity vanimpotoana ity dia Ing Ratsisalovanina Edmond sy Raveloson Georges ary Rakotoarison.

50 TAONA FAHATELO (1964 – 2014) : Fiangonana miroso amin’ny lalin-dalina kokoa amin’ny asa fitoriana sy ny fijoroana vavolombelona

MMMmpitandrina roa no nifandimby nitondra ny Fiangonana dia Rakotonarivo sy Rasolomanana Nehémie. Nanomboka ny volana aogositra 1968 dia nisalotra ny anarana FJKM Tranovato Ambonin’Ampamarinana ny Fiangonana ary dia nitondra ny Sinodam-Paritany Ambonin’Ampamarinana izy hatramin’ny taona 1996. Nanomboka teo kosa izy dia tao anatin’ny SP Antananarivo Andrefana.

20 taona no nitondran’ny mpitandrina Rakotonarivo ny Fiangonana : 21 jona 1964 – 1984. Tamin’ny androny no nankalazana ny faha-100 taona nitokanana ny Tranovato ary nanoratra ny tantaram-piangonana nandritra izany zato taona izany izy. Nahatsiaro nanana ray aman-dreny am-panahy tokoa ny Fiangonana tamin’ny androny ary ny toriteniny no tena nitiavan’ny mpiangona azy : nahay nitoriteny fatratra tokoa izy. Tamin’ny androny koa no nisandrahaka be ny Tanora ka lasa Firaisan’ny Tanora Kristiana Ambonin’Ampamarinana ny anarany dia niova vetivety ho «Tanoran’i Tsimihatsaka », ny Antokom-pihira kosa lasa «Feon’i Tsimihatsaka » ary nivoaka koa ny gazety «Tsimihatsaka Vaovao.» (marsa 1976).

Nanomboka ny 23 marsa 1986 ny nitondran’ny mpitandrina Rasolomanana Nehémie mivady ny Fiangonana ary mitohy mandraka ankehitriny izany. Niavaka ny fomba nahatongavany hiasa teto fa tsy mba fifidianana nataon’ny Fiangonana fa tendry avy tany amin’ny Foibe FJKM. Tamin’ny androny no nitsanganan’ny Sampana sy Sampana’Asa ary Asa tsy mbola nijoro : ny Sampana Fifohazana, nijoro tamin’ny 15 oktobra 1995, ny VFL herintaona taorian’io (14 desambra 1996), ny SLK tamin’ny 05 jolay 1998Ny AFF dia nijoro tamin’ny volana septambra 1992 ; ny Mpandalina ny Fitoriana ny Tenin’Andriamanitra (MFTA) dia nijoro tamin’ny 19 oktobra 1996, nitsangana tamin’ny 13 aogositra 1995 ny Chorale FIFIFA Tsimihatsaka, tamin’ny marsa 1994 ny Komitin’ny Fifandraisana miandraikitra ny famoahana ny gazetin ‘ny Fiangonana, tamin’ny avrily 1996 ny Komity misahana ny Tontolo Manodidina ny Fiangonana niova ho Komity misahana ny Fananana tato aoriana, nitsangana koa ny Komity teknikan’ny Orga sy ny Komity misahana ny sahirana ary ny Vovonana Tsimihatsaka izay fivondronan’ny Sampana rehetra mitaiza Tanora. Farany nitsangana tamin’ny 11 jona 1995 ny Fikambanan’ny Zanaka am-pielezana. Nisy Biraom-Piangonana impito nifanesy nandritra ity vanim-potoana farany ity.

Nanomboka tamin’ny 1995 ka hatramin’izao dia miantafika isan-taona ny Fiangonana amin’ny alalan’ny AFF ; singanina ireto manaraka ireto : Mahatsinjo Alasora ; Soavinandriana Itasy; Manakara; Soanierana Ivongo; Fihaonana Vonizongo; Fenerive Atsinanana, Manjakandriana, Antananarivo Renivohitra (Programa Pass it on/Ampitao ity) ; Miandrivazo ; Analaila Fandriana; Babay Vonizongo; Fandriana ; Beravina , Orimbato Bongolava…

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV