Alahadin’ny SAF/ FJKM 2019.

ALAHADY HITONDRANA AM-BAVAKA NY SAF/FJKM 17 Martsa 2019

FANDAHARANA IOMBONANA

Alahady 17 Martsa 2019

MANAMASINA FIAINANA HO AN’NY TOMPO

Feon-javamaneno fanombohana

Fiarahabana apostolika

FANATREHANA AN’ANDRIAMANITRA

  • Salamo 66 :1-4

« Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra. Mankalazà ny voninahitry ny Anarany .omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy . Lazao amin’Andriamanitra hoe : endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ny herinao no hikoizan’ny fahavalonao Anao.Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao , eny, hankalaza ny anaranao izy. »

Hira   16

vavaka fiderana sy fisaorana

TENIN’ANDRIAMANITRA

Hira 175

Fotoana ho an’ny tanora sy ny ankizy

Vavaka fangatahana ny fanazavan’ny Fanahy Masina

Soratra Masina

  • Josoa 14: 6 – 15
  • Matio    5:13 – 16
  • I Tes     2: 1 – 12

Hira 205 :2,4

TORITENY

Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy  fifonana 

Hira  415 :2,3 

Famelan-keloka :

  • Isaia 44 :22
  • Salamo 32 :1-2

Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.. Voavela ny helokareo noho ny Anaran’I Jesoa Kristy. Miderà ny Tompo.

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony, sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amen

Hira 202

Fanekem-pinoana

Asa vavolombelona

Raharaham-piangonana

Rakitra

Fanolorana ny rakitra : Hira 446 : 2,3.

Hira Fanampiny  17

Vavaka fangatahana

Tsodrano

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen

RAKITRA

RAKITRA SALEMA VAOVAO 67 HA 20 000
RAKITRA AMBOASARY ATSIMO 19 300
RAKITRA BELAVABARY FAHARETANA 13 000
RAKITRA ANOSIZATO HEBRONA 214 300
RAKITRA ALAHADIN’NY SAF FJKM 20 000
RAKITRA FJKM ANKAZOMANGA 10 000
RAKITRA FJKM AMBOHIPOTSY 226 300
RAKITRA FJKM BETSIZARAINA 40 900
RAKITRA FJKM MANDROSOA AMBOHIJ… 94 100
RAKITRA FJKM BETELA MAROBIBY 68 400
RAKITRA FJKM ANONIMASINA ZIONA 73 700
RAKITRA FJKM ANDRAMAHAVOLA 179 570
RAKITRA FJKM AMBODIMITA 52 900
RAKITRA  AMPARIHIVATO 15 000
RAKITRA  VOHIDIALA 10 000
RAKITRA  SOAMONINA FANAVAOZANA 6 370
RAKITRA  ANDRANOVELONA FITIAVA… 3 900
RAKITRA  ANTANETIBE MAROMBY 2 010
RAKITRA  IARINARIVO 7 000
RAKITRA  AMBATOMENA 134 750
RAKITRA TRANOVATO FARAVOHITRA 803 000
RAKITRA RANIVO MARITIORA LAZAI… 42 700
RAKITRA ALAHADIN’NY SAF 17 220
RAKITRA FJKM ANDOHATAPENAKA 20 100
RAKITRA FJKM AMBOHIMANDROSO 43 000
RAKITRA FJKM AMBALAVAO ISOTRY 30 000
RAKITRA FJKM ANTANETIBE FITIAV… 10 800
RAKITRA FJKM AMBOHIDROA ANTEHI… 20 000
RAKITRA FJKM ANTANIMAFY FAHAZA… 13 100
RAKITRA FJKM AMPARIBE FAMONJEN… 50 000
RAKITRA FJKM MAHITSY FEHIZORO 15 000
RAKITRA FJKM AMBOHITRINIBE FAH… 29 000
RAKITRA IMERINA IMADY 10 600
RAKITRA AMBALAMANAKANA 4 000
RAKITRA AMBOVOMBE 10 000
RAKITRA AMBAHOMBE 1 800
RAKITRA ANTANIMENA ANDREFANA 360 400
RAKITRA FJKM AMBOHIMANANDRAY 20 000
RAKITRA FJKM AMPERIFERY 7 700
RAKITRA FJKM AMBODIHADY VAOVAO 20 000
RAKITRA FJKM TRANOVATO AMBATON… 100 000
RAKITRA FJKM AMBOHIMIANDRA 100 000
RAKITRA ISOAVINA FIHAVAOZANA 70 520
RAKITRA FJKM MAHITSY FAMONJENA 78 400
RAKITRA AMBOASARY ATSIMO 12 000
RAKITRA FJKM SANGANORO 19 050
RAKITRA FJKM ANKOTROBE 5 000
RAKITRA TSARAZAZA FINOANA 5 900
RAKITRA SP AMBOVOMBE KRISTY RA… 25 000
RAKITRA AMBOHIJAFY FANANTENANA 20 000
RAKITRA ANKAVANDRA 10 200
RAKITRA AMBOHIMIRARY FAHARETAN… 6 000
RAKITRA FJKM FORT- DAUPHIN 20 000
RAKITRA AMBOHIJATOVO FITIAVANA 50 000
RAKITRA AMORON’I MANIA 11 300
RAKITRA FJKM ANDRAIKIBA 13 500
RAKITRA FJKM ANKIRIHIRY 75 000
RAKITRA FJKM TSIROANOMANDIDY 180 000
FJKM AMBOHIMANANDRAY 82 400

HAFATRA

Ry Havana,

Misaotra an’Andriamanitra isika noho izao Alahadin’ny SAF/FJKM izao.

Taom-pankalazana ity taona 2019 ity, satria mandia ny faha 45 taonany izao ny SAF/FJKM. Naorin’ny Fiangonana FJKM tamin’ny taona 1974 izy, araka ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe Fahatelo tany Mahajanga ny taona 1972. Lohahevitra tamin’izany ny hoe “Velona ho an’ny hafa” II Kor. 5.15. Teny filamatra entin’ny SAF / FJKM mandraka ankehitriny kosa ny hoe “mitady ny mahasoa ny maro, mba hovonjena izy” I Kor 10:33

Ankehitriny, mananika ny 60 taona ny fahaleovan-tenan’ny firenena Malagasy izay iorenan’ny Fiangonana FJKM kanefa iaraha-mahita ny fahantrana lalina manjo ny vahoaka sy ny fahasimban’ny fiaraha-monina ary ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Tsy ho tanisaina ireny.

Miantso mandrakariva ny Tompo; ary ny Fiangonana FJKM araka ny Foto-dalàna sy Fitsipika, dia « ny hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiaraha-monina. Izany no hanehoany ny maha fanasina azy sy maha fahazavana azy eo anivon’ny voahary manontolo sy izao tontolo izao ».

Manana anjara lehibe ny Fiangonana eo amin’ny fitondrana fiovana eo anivon’ny fiaraha-monina ka hahatonga ny olombelona rehetra hanana ny fahafenoana sy ny fahamendrehana araka izay mety ho tratra, mifanaraka amin’ny namoronan’Andriamanitra azy (Lioka 4 /18-19)

Koa manentana hatrany ny Kristiana FJKM, ny Fitandremana sy ny Synodamparitany hanome talenta hampivelatra hatrany ny asa fampandrosoana entin’ny FJKM amin’ny alàlan’ny firotsahana mivantana eny anivon’ny fiaraha-monina. Misy hatrany ny asa fampivoarana sy fampandrosoana azon’ny Fiangonana tanterahana miaraka amin’ny fiaraha-monina misy azy. Singanina amin’izany ny fampiofanana ilain’ny mpamboly sy mpiompy madinika, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, ny fitaizana ara-pahasalamana, ny fanaovana tahiry iombonana ho fiharian-karena na “VOA MAMY”, ny fahadiovana sy fidiovana ary fanadiovana, ny fambolen-kazo.sns…

Fomba fiasa efa nosantarintsika izany, ary velarina hatrany hatrany sy hanaovana antso amin’izao Alahadin’ny SAF/FJKM izao.

Toy izao no fomba fiasa :

  • Mitarika sy manentana ary manohana amin’ny fanofanana sy fizarana traikefa ny SAF/FJKM
  • Omena lanja ny fiaraha-miasa amin’ny ambaratonga samihafa eo anivon’ny FJKM sy ireo Sampana sy Sampan’asa ary Asa, fa tsindriana manokana ny AFF sy ny SEFALA ka “fampiofanana miampitapita” no hatao
  • Omena andraikitra sy hofanina koa ireo Mpilatsaka an-tsitrapo efa najoro (“Volontera FJKM”) any amin’izay toerana efa misy azy ireny. Entanina ny Synodamparitany mbola tsy misy Volontera hifanome tànana amin’ny SAF/FJKM hananganana sy hanofanana azy ireny.

Amin’izao taom-pankalazana ny faha 45 taona nijoroan’ny SAF/FJKM izao dia hisy hetsika maro hanamarihana izany. Koa manentana antsika Synodamparitany, Fitandremana amin’ny fifanohanana..

Antsoina manokana ireo Fiangonana manana fanomezam-pahasoavana amin’ny firotsahana amin’ny asa soa sy fampandrosoana, ny fanànana olona manana traikefa, ny tanjaka ara-bola; mba hahafoy hizara amin’ny Fiangonana sy Synodamparitany amin’ny Faritra sahirana, mba hifanampy ny hery hahazoana vokatra tsara sy malaky kokoa.

Hotanterahina ny faha 29 hatramin’ny 31 Oktobra 2019 ny Komity Foiben’ny SAF/FJKM. Mampahery antsika, ry Havana amin’ny fanatanterahana ny iraky ny Tompo ary mitarika antsika hibanjina hatrany ny fahasoavana sy fahafenoana ao amin’i Jesoa Kristy, fa ao Aminy ihany no hanovozantsika ny hery mba “tsy ho menatra ho vavolombelon’ny Tompo” tokoa isika.

Ho voninahitr’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina irery ihany.

Ny Filankevipitondrana SAF/FJKM 

FANTARO NY SAF/FJKM

  1.  NY FIFORONANY
  • Ny Synoda Lehibe faha-III tany Mahajanga no nanapaka fa hatsangana ny Sampan’Asa izay tànana sy sandrin’ny Fiangonana hiasa eny amin’ny fiaraha-monina. Teny faneva tamin’izany ny hoe “ Fiangonana velona ho an’ny hafa” (II Kor 5:15).
  • Ny volana aogositra 1974, taorian’ny Synoda Lehibe faha- IV , no naorina ny “Sampan’Asa momba Fampandrosoana” na «SAF / FJKM » . Teny faneva tamin’izany ny hoe « Tazano ny làlana , hetseho mafy ny herinao » Nah 2 : 2

Ireo fotokevitra  nipoiran’ny SAF / FJKM:

  •  “Miara-miasa amin’i Kristy amin’ny fampandrosoana ny firenena”
    •  “Fiangonana velona ho an’ny hafa” ary
    • “Tazàno ny làlana, hetseho mafy ny herinao”.

IRAKA (Mission)

  • Ny SAF/FJKM dia iraky ny   Fiangonana hanehoany ny  finoany  eo amin’ny sehatry ny fampivelarana  ny fiarahamonina sy ny toekarena ary  miasa  ho amin’ny ezaka rehetra  ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny Olona manontolo.

 VINA (Vision)

  • ‘Ny Olona, izay sady mpisehatra no ivon’ny asa fampandrosoana dia maneho ny endrik’Andriamanitra ary miaina anaty fiaraha-monina mirindra sy milamina ary tompon’andraikitra

Ny SAF/FJKM dia Fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana (ONG) fehezin’ny lalàna 96-030

  1. FOTOTRA ARA-TSORATRA MASINA
  • Noharian’Andriamanitra tahaka ny endriny  ny olombelona. Manana adidy hiady amin’izay rehetra manimba izany endrik’Andriamanitra izany ny Fiangonana amin’ny alalan’ny asa fampandrosoana tanterahany. (Gen.1/27)
  • Noharian’Andriamanitra hitandrina sy hiasa ny zava-boahary ny olona. An’ Andriamanitra  ny tany sy izay rehetra eo aminy.   Koa andraikitry ny Fiangonana araka izany ny mikajy sy mitantana izany  mba ahatonga ny olombelona rehetra hisitraka izany. (Gen.2/15)
  • Mitovy ny olona rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy misy tombo sy  hala. Koa ny fanomezam-pahasoavana   nomena ny Fiangonana amin’ny alalan’ny

SAF/FJKM dia hampiasaina  hanasoavana ny olona rehetra tsy misy ankanavaka.  (Rom.10/12 )

  • Fampianarana itarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonana ny hampanjaka ny fahamarinana sy  Fitiavana. Izay Fitiavana  izay no manery ny Fiangonana  hihevitra ny Mpiara-belona ka tsy  ho tia ny tenany ihany fa ho tia ny hafa koa mba ho vonjena izy.( IKor ;10/33)
  • Ny olombelona feno no novonjen’Andriamanitra teo amin’ny hazofijaliana. Jesoa Kristy mantsy dia sady nitory ny fiainana mandrakizay no nanasitrana ny marary sy nanafaka ny ampahoriana koa. Nanome hanina ny noana ary nampianatra sy nitarika ny olona ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Andraikitry ny olona mino ihany koa izany ny hanafaka  ny namany, 

Araka izany dia nisaloran’ny SAF/FJKM ny Teny Faneva hoe “Mitady ny mahasoa ny maro” (I.Kor.10/33)

  1. IREO FANDAHARANASA IFANTOHANY
  1. FANJARIANA ARA-TSAKAFO

Nanomboka ny taona 1975

  • Tanjona

Manana sakafo maharitra sy ampy ary ara-pahasalamana amin’ny fotoana rehetra ilainy azy ny olona tsirairay tsy ankanavaka.

  • RANO FISOTRO MADIO – FANADIOVANA – FIDIOVANA

Nanomboka ny taona 1986

  • Tanjona

Misotro rano madio sy miaina lalandava ary tanteraka anaty tontolo madio ny olona tsirairay, indrindra ny zaza amam-behivavy.

  • FAHASALAMANA

Nanomboka ny taona 1986.

  • Tanjona

Fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ireo aretina mateti-pitranga, sy fanabeazana ara-pahasalamana.

Fitaizam-pahasalamana mitohy sy maharitra.

  • TONTOLO IAINANA

Natomboka ny taona 1988.

  • Tanjona

Fampihenana ny tsindry amin’ny harena voajanahary.

  • FITANTANANA NY TANDINDON-DOZA SY FIATREHANA NY LOZA VOAJANAHARY

Nanomboka ny  taona 1990.

  • Tanjona

Ampy ny fahaiza-manaon’ny olona tsirairay, ny fiaraha-monina sy ny mpitondra fanjakana hitantana ny tandindon-doza sy hiatrika ny voka-dratsy haterany, ka hampaharitra ny asa fampandrosoana eny ifotony.

  • VOLONTERA FJKM

Nanomboka ny taona 2014

  • Tanjona

Hanampy ny fiarahamonina amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary mba hanalefaka ny fiantraikan’ny loza.

Maherin’ny  10000 ireo Volontera FJKM  nahazo fiofanana , ary miparitaka sy miasa manerana ny Synodamparitany 13 eto Madagasikara.

  • FIANGONANA MIROTSAKA

Nanomboka ny taona 2016

  • Tanjona

Hampiroboroboana sy ny hampivelarana ny iraka feno nomena ny Fiangonana,  izay mikendry indrindra ny  :

  • Fampandraisana andraikitra ny Fiangonana hitondra fanovana eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny Teny sy ny fijoroana vavolombelona
  • Fampiharana  mivantana  ny iraka ampanaovina ny Fiangonana amin’ny alalan’ny asa miaraka amin’ny fiaraha-monina
  • Fampiraisana ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsara
  • Fampandrosoana ny Fiangonana .
  1. FIVELARANA

Anisan’ny Fikambanana Malagasy hany misehatra manerana ny Nosy  ny SAF/FJKM, sady nisafidy ny hiasa amin’ny sehatra marolafy (développement intégré). Nisedra sy Niaina ireo fiovana sy fivoarana  nentin’ny fanatontoloana ny SAF/FJKM ary nandalo zava-tsarotra maro samihafa.

Fa anisan’ny nanampy teo amin’ny fivelarana sy fanohizana ny asa notanterahina ny fanoloran’ny FJKM ireo toerana sy fananana mba hahazoan’ny SAF/FJKM mamita ny iraka nampanaovina azy.

  1. FOMBA FIASA
  • Miara miasa amin’ny fiarahamonina , fikambanana , sy ireo Vondron’olona Ifotony
  • Miara miasa amin’ny Fiangonana, sampana, sampan’asa ary asa sy ireo hery velona rehetra misy ao aminy
  • Miara miasa ihany koa amin’ireo mpiara miombon’antoka  eto an-toerana sy avy any ivelany
  • Miara-miasa amin’ireo tambazotra mifandraika amin’ny fotokevitra ijoroan’ny SAF/FJKM.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV