Hafatry ny Filoha /Jiona 2019.
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Fa âty Nosintsika ity,
Nosy tena mahagaga,
itobahanâny harena,
amboninâny tany,
an-kibon-tany,
ary koa an-dranomasina;
nefa, he, fa mahonena
ny fahantranâny mponina eto,
Fa nahoana ?
Fa nahoana ?
Satria izaho sy ianao mihitsy,
Ry Vahoaka Malagasy,
No andrasanâny Mpahary
Hitodika Aminy,
Hivavaka,
Mba tsy ho teny foana intsony
Itony hiram-pirenena
Hoe Izy Ilay Nahary
Izao tontolo izao ange
No tena fototra ijoroanâ
Ny satantsika Malagasy!
Hira izany, nohiraina,
Nefa hatraiza no anekena
Tena hivelona anâizany ?
Koa ianao izay mahalala
No irahina eto anio :
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI