Ivony faha-200T Sekoly
JOBILY faha-200 Taona ny Sekoly Protestanta FJKM (Ivony).
Notanterahina tao aminâny SP Matsiatrasoa (SP 25)Fianarantsoa ny ivonâny fankalazana anâ Andriamanitra noho ny faha-200 Taona nijoroanâny Sekoly Protestanta teto Madagasikara . Fanompoampivavahana lehibe no nanamarihana izany ny Alahady 10 Novambra 2019 ,nanomboka taminâny 10 ora , izay natao tao aminâny Kianja malalaky ny Sekoly FJKM RANDZAVOLA IVOHIDAHY .
Nitarika ny fanompoampivavahana ny Filohanâny Komity Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja , Mpitandrina . Nitondra ny Hafatry ny Teninâ Andriamanitra, Andriamatoa RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa , Mpitandrina ,Komity sady MF miahy ny Sekoly .Ny Komity SP 25 no nitari-bavaka sy namaky ny Soratra masina . Andriamatoa RAZAFINDRABE. Raymond, Mpitandrina PrĂ©sident Synodal SP 25 no nitantana ny Fandraisana ny Fanasanâ ny Tompo.
Nanakoako teo am-piandohanâny fotoana ny Hira fanevanâny faha- 200 T Sekoly « MAHARETA ». Taranja ibeazana ho aminâny fahombiazana ny faharetana , izay nankininâny mpitory aminâny JAK 5.7. Ny asa fanabeazana dia manomana olona vonona sy vanona hiatrika ny fiavianâny Tompo . Mila tohizana ny « tsara » niainanâny Sekoly FJKM , sekolinâny maritiora , mahatanty lazonady , vita sedra.
Tao aminâny filazana ny Raharaha no nahalalana fa manana tetibidy eo aminâny 178 Million dâ Ariary ny fanamboarana ilay Trano lehibe ivotoeram-panofanana Mpampianatra ho anâny Ambaratonga voalohany (I) . Fantatra fa mandray anjara mavitrika ny isam-piangonana , ny isan-tSP, izay notsinjaraina toy izao : 1 500 000 ar (Sokajy A) ary 750 000 ar (Sokajy B), ny mpianatry ny sekoly FJKM aminâny alalanâny vola 200ar/ mpianatra.Hatrany am-pitandranomasina na ny fiangonana manana sekoly na ny tsy manana dia samy mahatsapa ho tomponadidy manoloana ny fananganana ilay Tsangambto lehibe ho ivon-toeram-panofanana Mpampianatra , izay hatao any IMERIMANDROSO Ambatondrazaka âAlaotra .Kasaina hotokanana ny volana Martsa 2020 izany fotodrafitrasa lehibe izany .
Nampahatsiahivin- dRamatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina , Tale Nasionalinâny Sekoly FJKM , ny fanomezana ny 2 % ny tetibolanâny Fitandremana tsirairay na ny manana Sekoly na ny tsy mbola manana mba ho fanohanana ny sekoly FJKM.
Nanentana ihany koa ny Komity fa mbola tohizana hatrany ny ANGONKEVITRA ho fanatsarana ny Asa Fanabeazana sy fampianarana sy ny ANGOMBOLA ho aminâny fanorenana .
Namintimpintina ny Tantaranâny Sekoly kosa Andriamatoa RAKOTONAVALONA Maholy , Mpitandrina. Nambarany taminâizany fa vavimatoanâny Sekoly rehetra ny SEKOLY Protestanta FJKM . Tsy afa- misaraka aminâny fitoriana ny Filazantsara ny fanabeazana . Tsy mampianatra fotsiny no ataony aminâizany fa MANABE olona tena vanona . Ny Boky ao aminâny Soratra masina no taranja nanadinana tany aminâny taona 1924 (Boky Genesisy, Eksodosy,LiokaâŠ). Nirotsaka an-tsehatra taminâizany ny Mpanjaka . Ny fanirahana evanjelistra tao aminâny I6B Imerina tany aminâiny tapakâ avaratry ny Nosy iny dia nampiara-dĂ lana hatrany ny asanâireny iraka ireny tamin âny fanokafana sekoly ka Sekoly aloha vao fiangonana .Tany amboalohany dia sekoly teo aminâny 6isa teo no tafatsangana vao niorina ny fiangonana voalohany . Teny an-tenatenam-potoana teny dia nitovitovy ny isanâny sekoly sy ny Fiangonana , fa ankehitriny dia ampahafolonâny isanâny fiangonana sisa no isanâny sekoly mijoro .
Ny Filoha mpanampy eo anivonâny Biraonâny Mpiandrakitra Foibe , Andriamatoa ANDRIAMAMONJISOA Georges no nandray fitenenana nisolo tena ny Filohanâny FJKM ,ka niarahabany  ireo mpiomana ho Mpitandrina avy ao aminâny Kolejy Teolojika FJKM Amboniavaratra , ny Mpitandrina rehetra tonga nanome voninahitra ny fotoana , ny Mpampianatra eo anivonâny Sekoly FJKM rehetra tonga tao .Nisaotra ihany koa ny Foibe Fitondran-tSekoly (FFS) izy noho ny ezaka rehetra vitanâizy ireo . Hamafisina ny fianarana ny Teny Anglisy eo anivonâny Sekoly FJKM  .Fa ankoatranâny tsangambato hita maso dia misy koa ny tsangambato tsy hita maso, dia ny fanamafisana ny fitsipika ifehezana ( discipline) ary atombohy aminareo mpampianatra sy mpanabe izany, hoy ny Filoha mpanampy BMF . Entanina ny rehetra mba hanampy ary samy hanao izay azony hatao ho fanohanana ny Sekoly aminâny lafiny rehetra . Aoka ho lohany ny Sekoly FJKM .
Nofaranana taminâny Fandraisana ny Fanasanâny Tompo sy fiaraha-misakafo ny fotoana ary hitohy aminâny ZAIKABE FAHA-7 izany manomboka ny Alatsinainy 11 Novambra , hifarana ny 14 Novambra 2019. Dia mirary ny fitahianâAndriamanitra aminâny ho avinâny Sekoly Protestanta FJKM.
Ho anâ Andriamanitra ny Voninahitra.
Nangonin-dRamatoa SAHONDRAMALALA Vololona Rabelison
(Site web FJKM)