« Zanako ianao , Izaho niteraka anao androany « 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Desambra 2020

SALAMO 2.7-12

SALAMO 2.7-12
7 "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. 8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao. 9 Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy." 10 Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany. 11 Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana. 12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

« Zanako ianao , Izaho niteraka anao androany « 

1-Zanako ianao

Ity andinin-tsoratra Masina ity dia mampahatsiaro antsika ny fomba fomba fanao amin’ny fanosorana ho mpanjaka teo amin’Israely. Noheverina fa avy amin’ Andriamanitra no mahatonga ny olona iray ho tonga mpanjaka , hanana fahefana amin’ny firenena maro . Ary izany no niheverana azy ho « zanak’ Andriamanitra » . Nefa koa entina manondro an’i Jesoa , Ilay voahosotra , tena Zanak’Andriamanitra manana ny fahefana rehetra ety an-tany ka hatrany an-danitra . Andriamanitra mihitsy no nanamarina izany tamin’ny nanaovana batisa Azy (Mar 1.11/Lio 3.22) . Ny fandavana ny maha- Zanak’ Andriamanitra an’i Jesoa dia fikomiana amin’Andriamanitra . Fa izay manaiky ho eo ambany fahefany an-tsitrapo no atao hoe : manompo an’i Jehovah amin-tahotra (and11) .

2-Izaho niteraka anao androany

Ny hoe: « androany » dia milaza fotoana ankehitriny . Andeha horaisina amin’ny finoana fa miteny amintsika ny Tenin’Andriamanitra anio . Fa hoy ny voasoratra : »Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra dia izay mino ny Anarany  » (Jao 1.12) . Ary koa : « Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika » (Rom 8.16) . Koa anio , raiso ho ao am-ponao Jesoa Kristy mba ho tanteraka aminao ny Tenin’Andriamanitra . Tsarovy fa ny zanak’ Andriamanitra no manana fahefana handresy ny herin’ny ratsy rehetra . Ny zanak’ Andriamanitra ihany no manana zo handova ny fanjakan’ Andriamanitra . Aoka tsy ho fahazarana fotsiny izao fankalazana ny fahaterahan’ny Mesia izao fa mba hahatonga fahateraham-baovao ho ahy sy ho anao tokoa.

Fanontaniana :

Midika inona eo amin’ny fiainanao ny fahaterahan’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra miaro ny Tompo

Zoma, 27 Novambra 2020

Andriamanitra miaro ny Tompo Ny  Salamo  dia anisan’ny asa soratra  maneho ny  fifandraisana feno  amin’Andriamanitra .…

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy

Zoma, 20 Novambra 2020

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy Raha mamarana ny Epistily nosoratany i Joda dia…

Ny iraka mpitondra famonjena

Zoma, 6 Novambra 2020

Ny iraka mpitondra famonjena 1-Tsy mandeha araka ny saina Efa masaka tao an-tsain’i Paoly ny…