Voasoratra hoe
Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Septambra 2025
Sal 138.1-3 / HF 45 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 545.1
Romana 10,5 - 10
5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalĂ na no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5). 6 Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,) 7 na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.) 8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay; 9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
Voasoratra hoe:
« Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena. « (and.10)
Teny malaza ny amin’ny fanamarinana sy ny famonjena ity teny ity. Inona no ambarany amintsika?
1. Tsy maintsy mino amin’ny fonao ianao.
Eo amin’ny and.9 dia lazain’i Paoly hoe: « mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy (Jesoa) tamin’ny maty », dikany: tsy maintsy mino ianao fa tsy mpaminany tsotra fotsiny i JESOA fa tena Andriamanitra velona, mendrika hivavahana, tahaka ny fanekem-pinoan’i Tomasy hoe: « Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao.20,28).
2. Tsy maintsy manaiky amin’ny vavanao ianao.
lo faneken’ny vava io no anton’ny fanambarana ny Fanekem-pinoana ataontsika rehefa mivavaka, sy anton’ireo fanekena samihafa ataontsika. Izany hoe: tsy finoana kobonina ao am-po fotsiny, fa tsy maintsy ambara hiseho. Ary tsy teny tenenina isehoana fotsiny, fa tsy maintsy miorina amin’ny finoana ao am-po miafina. Izany no ilaina raha tiantsika ny handray ny fanamarinan’ Andriamanitra antsika sy ny famonjena notanterahiny tao amin’i JESOA KRISTY!
Fanontaniana:
Efa tena nataonao ve ireo roa ireo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe