Vehivavy manantena an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Desambra 2025
Sal 125.1-4 / Hira 549.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332
Lioka 2,36 - 38
36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy, 37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina. 38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.Vehivavy manantena an’Andriamanitra.
Vehivavy mpaminany tao Jerosalema i Ana:
1- Nahafoy ny androm-piainany tamin’ny fanompoana.
Fito taona ihany no nanambadian’i Ana mpaminany, taorian’ny naha tovovavy azy. Rehefa maty ny vadiny dia nitoetra ho mpitondratena izy hatramin’ny androm-pahanterany. Voalaza fa tsy niala tao amin’ny Tempoly mihitsy izy. Tao amin’ny Tempoly izy tamin’ny fotoana nanoloran-dreniny an’i Jesoa Zaza ho an’Andriamanitra ka nahare ny fisaorana sy ny faminaniana nataon’i Simeona Mpisorona. Azó lazaina araka izany fa olona nanankina feno ny fiainany teo am-pelatanan’Andriamanitra izy. Natoky an’ Andriamanitra ho Rain’ny kamboty sy mpitondratena izy sady nanantena ny hiavian’ny Mesia. Ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fifadian-kanina ary ny fivavahana no nandaniany ny androm-piainany. Namaly ny vavaka nataony ny Tompo, ka nahita an’i Jesoa Ilay fampiononana ny Israely izy.
2- Nitory sy nanambara ny amin’i Jesoa (and 38)
Ny olona izay efa nahatsapa ho nandray valim-bavaka avy amin’ Andriamanitra dia manao ho zava-dehibe ny fisaorana Azy; sady mizara an-kafaliana ny momba an’i Jesoa sy ny asam-pamonjeny, amin’ireo olona izay mangetaheta fahafahana. « Ary nony niditra tamin’izany ora izany izy, dia nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema ». Na dia vehivavy efa antitra sy osa aza izy dia mbola afaka nitory sy nanambara ny amin’i Jesoa. Ry vehivavy, ankino amin’ Andriamanitra ny fiainanao, mba hahitanao fahasambarana amin’ny androm-pahanterana sy hananana fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay.
Fanontaniana:
Inona no tena andanian’ny vehivavy ny fotoana ananany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe