Vavaka fangatahana fanafahana sy fiarovana

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Aprily 2024

Salamo 43. 1-5

Salamo 43. 1-5
1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka. 2 Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko? 3 Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao. 4 Dia hankany amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, dia any amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin'ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro. 5 Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.

Ho safononoka ny hafaliany satria eo Andriamanitra hanome fiarovana azy ireo ka ho afaka maneho ny talentany ho fiderana ny Tompo (and. 4). Ho valian’Andriamanitra ny fangatahanao, miaro sy manazava ny fiainanao izy. Koa miorena tsara, aza miova fa ny Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andritsika. Miaro anao izy.

Fanontaniana

Inona avy ireo vavaka efa nasandratrao tamin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Jesoa mampahiratra sy mampiray amin’...

Alahady, 14 Aprily 2024

Nankany am-pasana vao maraina i Maria Magdalena; nitomany satria tsy nahita ny fatin’i Jesoa. Nisy…

Paska: Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady, 31 Martsa 2024

PASKA Manorina ny fanekeny ny Tompo 1. Aoka hifandinika izay ahitana ny Tompo Raha ny…

Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena ...

Zoma, 15 Martsa 2024

Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena vaovao ny fitandremana ny lalàna satria: 1. Tsy afaka manafoana…