Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena vaovao ny fitandremana ny lalĂ na satria:

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Martsa 2024

Galatiana 3:15-18

Galatiana 3,15 - 18
15 Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena* ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. [* Na: didim-pananana] 16 Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany. 17 Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalĂ na, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana. 18 Fa raha avy amin'ny lalĂ na ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.

Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena vaovao ny fitandremana ny lalĂ na satria:

1. Tsy afaka manafoana ny teny fikasana izy fa ny fanekena vaovao no miantoka izany (and18)

Tao amin’ny fanekena vaovao no tanteraka ny teny fikasana. Ary ny lalĂ na resahina eto dia ny lalĂ nan’i Mosesy. Ny famonjena tsinona dia tsy avy amin’ny fitandremana ny lalĂ na fa avy amin’ny fahasoavana nomen’i Jesoa Kristy izay mpanota nibebaka; ka na dia melohin’ny lalĂ nan’i Mosesy aza ilay mpanota, dia voavonjy rehefa miaiky ny fahotana.

2. Ny lalĂ na dia manana ny maha izy azy (and 18)

Ny asan’ny lalĂ na dia roa. Ny voalohany dia miabo satria manoro ny fitondran-tenan’ny olona ankasitrahan’ Andriamanitra. Ny faharoa kosa dia miiba satria mampiharihary ny fahotana ary mampiseho fa tsy azo antenaina ny mbola hamonjen’ Andriamanitra olona mpanota be iray. Kanefa, aoka hotsarovana fa mpanota avokoa ny olombelona rehetra. Noho izany tsy hisy hovonjena mihintsy izany raha ny lalĂ na no arahina, ka fahasoavana amin’ny finoana (Efesiana 2. 8) fa tsy lalĂ na.

Fanontaniana

Efa nitsara am-po ny namanao ve ianao fa tsy voavonjy izy satria diso tamin’ny lalĂ na maro?

Sampana Sekoly Alahady Foibe