Tsy ny avo feo akory no mañana ny fahamarinana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Aprily 2026

Sal 136,1-6 / Hira 1,1,2,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 261:1,2,6

Lioka 23,20 - 25
20 Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy. 21 Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! 22 Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako. 23 Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona. 24 Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny. 25 Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.

Tsy ny avo feo akory no mañana ny fahamarinana

1- Misy ny marina eo anatrehan’ny lalana

Raha ny tokony ho izy dia tsy misy fizahantavan’olona eo anatrehan’ny lalana ary tsy misy fihetseham-po miasa izany koa fa izay voasoratra hoe marina dia marina ary izay diso dia diso. Ny lalåna koa dia mamaritra mazava hoe izay manan-keloka ihany no mendrika hosaziana sy hovonoina, araka ny heloka vitany. Eto dia ny mpampanoa lalàna mihitsy, i Pilato izany, no miteny hoe tsy misy heloka vitan’i Jesoa Kristy mihitsy ka tokony hanamelohana Azy ho faty. Nandresy lahatra ny vahoaka izy tamin’izany

2- Misy koa anefa ny marina ho an’ny vahoaka

Manana izay marina heveriny koa anefa ny vahoaka izay tsy araka ny lalana mihitsy izany hoe tena mifanohitra amin’ny lalàna mihitsy dia izao: izay zavatra eken’ny besinimaro, izay itovian’ny hevitry ny besinimaro, izany no marina. Amin’ny vahoaka izany dia tokony helohina ho faty i Jesoa Kristy na dia tsy misy heloka tokony hahafaty Azy araka ny voalazan’ny lalàna mihitsy aza ary ankilan’izany izay tsy nanara-dalàna ka tokony helohina ho faty indray no takin’ny vahoaka nomena fahafahana.

Fehiny:

Hita eto fa mandresy ny maro ana isa satria tsy hay toherina ny fitakian’izy ireo tamin’ny alalan’ny antsoantso sy ny feo mafy dia mafy mitaky ny fanarahana ny heviny ka nampandeferina ny lalana sy ny marina.

Fanontaniana:

Manana ny marina ny lalana, manana izay marina ho azy koa ny vahoaka nefa inona no tena marina?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny iraka rehetra dia miaraka amin’ny...

Alarobia, 1 Aprily 2026

Ny iraka rehetra dia miaraka amin’ny fahefana Hoy i Jesoa Kristy tamin’ny mpianany: Andeha isika…

Ny fanomanana ny Paska

Talata, 31 Martsa 2026

Ny fanomanana ny Paska 1-Ny nataon’i Jodasy Samy sahirana amin’ny zavatra izay heveriny hatao na…

Ny fiainana kristiana

Alatsinainy, 30 Martsa 2026

Ny fiainana Kristiana 1-Fitiavana ny olona rehetra Ny Filazantsara araka an’i Lioka no mampahatsiahy antsika…