Tsy hireharehana ny fiantsoan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Martsa 2026
Sal 105.1-6 / Hira 17. 1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 338
1 Korintiana 1,26 - 31
26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; 27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, 29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika, 31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).Tsy hireharehana ny fiantsoan’Andriamanitra
1-Hevero ny fiantsoana anareo
Andriamanitra dia miantso mandrakariva, ary miantefa amin izay nofidiany izany. Tahaka izany izay voalaza eto, manambara indrindra ny nifidianan’Andriamanitra ny Kristiana tany Korinto. Ny hoe hevero dia diniho, fakafakao, saino, izany hoe saino tsara vao manapa-kevitra amin’izay atao. Nantsoina hitory ny Vaovao Mahafaly isika hoy ny Soratra Masina. « Hevero ny fiantsoana anareo » (26). Tsy ny Kristiana tany Korinto ihany no iantefan’izao teny izao fa isika mpanara-dia ny Tompo koa ankehitriny. Manana anjara isika fa nantsoiny ho mpanara-dia Azy. Aoka ho marina amin’izay anirahina anie isika. Ny fiantsoana noraisintsika no hananantsika fandinihan-tena lalina, miaraka amin’izay miantso antsika dia Jesoa Kristy Tompo.
2-Aza mirehareha
Ny fireharehana dia sehatra iray hitenenan’ny olona hilazany ny maha izy azy. Tsy mety anefa izany amin’ny fanarahana ny Tompo satria voasoratra hoe: « Izay mirehareha dia aoka Jehovah no reharehany » (And 31). Ny fireharehana mantsy dia mitondra ho any amin’ny fahapotenhana sy fahasimbana. Tsara Andriamanitra amintsika izay nantsoiny, satria tonga fahendrena ho antsika ao amin’i Jesoa Kristy Izy. Tsarovy fa ny tapany ihany no mihontsana. Ny fireharehana dia fandrika izay apetrak’i Satana eo anoloantsika, ka raha tsy mitandrina amin’izay andraikitra napetraky ny Tompo isika dia ho azony mora foana, ary hiafara amin’ny fahapotehana sy faharavana. lalao lavitra ary ny fireharehana, fa misy ny fotoana itenenana, ary misy ny fotoana ahanginana
Fanontaniana:
Mety amintsika kristiana ve ny mirehareha?
Foibe Sampana Sekoly Alahady