Toe-panahin’ny Mpitondra sy ny Fianakaviana Kristianina

Mofonaina anio: Talata, faha 26 Novambra 2024
1 Timoty 5,1 - 8
1 [Ny amin'ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, 2 ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra. 3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa. 4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina 6 Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony. 7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny. 8 Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.

1- Ny tokony ho toe-panahin’ny mpitondra fivavahana:

Mananatra amin’ny fanajana sy feno fitiavana (and 1-2): Rehefa tsy mendrika ny toetran’ny olona tandremana dia tsy mijery fotsiny fa mananatra, kanefa tsindrian’i Paoly tsara fa atao amin’ny fanajana sy ny fitiavana. Ny anti-panahy dia raisina toy ny ray aman-dreny sy rahalahy sy anabavy no fananatra sy fandraisana azy. Ny teny mandratra, na dia diso aza izy, dia toa endrika famonoana ankolaka.

2- Ny tokony ho toetran’ny mpitondra tena efa loa-jafy

Dia tokony ho fitaratra ho an’ny zanany sy ny vinantony ary ny zafiny amin’ny fitiavam-bavaka ka manao izay ahatonga an’ireo ho tia an’Andriamanitra (and3-8). Tsy andraikitra fotsiny izany fa tena toetra anaty mihintsy. Ny tsy fikolokoloana ara-panahy ny ankohonana dia faharatsiana mihoatra ny ataon’ny tsy mino mihintsy aza. Tsy ny ara-panahy ihany anefa fa ny lafim-piainana manontolo koa.

Fanontaniana

Raha tsara toetra isika dia ho mamy hoditra ao amin’ny ankohonantsika. Fa raha ratsy kosa isika dia tsy ho to-teny mihintsy. Aiza amin’ireo ary no misy antsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Mivelona amin’ny Fahasoavan’Andriama...

Alatsinainy, 25 Novambra 2024

1- Ny Kristiana rehetra na kely na lehibe, na lahy na vavy Dia tokony tsy…

Ny Kristiana

Alatsinainy, 25 Novambra 2024

Ny Kristiana 1- Tsy ho tia lainga (and. 25) Hitatsika fa nisy nifampilaza lainga ireto…

Ny tokony ho toetran’ny Diakona sy L...

Zoma, 22 Novambra 2024

Ny tokony ho toetran’ny Diakona sy Loholona ary izay mitovy laharana aminy. 1. Miandry ondrin’Andriamanitra…