Tanteraho ny fanompoana.

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Novambra 2025

Sal 67 / Hira 167 :1.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.50:1,3

1 Korintiana 4,1 - 5
1 Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay. 2 Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina* dia tokony ho olona mahatoky. [* Gr: mpitandrina fananana] 3 Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona* fa ny tenako aza tsy mitsara ahy. [* Gr. andron'olona] 4 Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy: 5 koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.

Sal 67 / Hira 167 :1.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.50:1,3

Paoly mampahery ny Fiangonana amin’izay anjara toerana efa nametrahan’ny Tompo ny tsirairay: samy nomeny anjara asa sahaza azy avy ny rehetra ka aoka hanao izay tandrify azy. Tanteraho ny fanompoana.

Mampahatsiahy ny Fiangonana i Paoly ny amin’izay hahaizan’ny rehetra mipetraka sy mametraka ny hafa amin’ny toerany avy. Ary izany dia misy toetra takiana sy fiaina ary fisaina mifanaraka aminy. Eto dia asongadin’ny Epistily fa manana ny toerany sahaza azy tahaka ny rehetra ny mpitandrina. Kanefa takiana mba hanana toetra ho mahatoky. Aoka ny rehetra hahafehy izay andrasan’ny Tompo aminy mba tsy hiteraka olana amin’ny fanompoana noho ny fialana amin’ny fenitra andrasan’ny Mpaniraka antsika. Nomena toerana sahaza azy avy isika ka samia manaja tsara izany.

Aretim-piangonana hatrizay hatrizay ny fifampitsarana, ary na teo amin’i Jesoa aza dia efa olana nitranga izany. Indraindray dia miteraka olana eo amin’ny fanompoana anefa izany ka misy mihitsy ny olona alaim-panahy haka ny toeran’Andriamanitra ilay tena Mpitsara marina. Mety hitsara antsika ny olona, mety hanao fijery manahirana ihany koa ny Fiangonana, fa mihoatra lavitra noho izany dia tsarovy Ilay Mpitsara antsika rehetra dia Andriamanitra. Amin’ny atao rehetra dia aoka isika hibanjina ny Tompo fa Izy irery no manana ny fahefana feno hitsara ny olona amin’ny ataony. Isika rehetra dia samy miandrandra izay dera omen’Andriamanitra antsika tsirairay koa ataovy marina ny fikasan’ny fo, tanteraho ny fanompoana, tanteraho tsara fa samy. hotsaraina ny rehetra amin’ny fiavian’i Jesoa.

Inona no sakana tsy hanatanterahanao ny asa fanompoanao?