Tano mafy tsara ny fahafahana efa nomen’ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Septambra 2024

Galatiana 5.2-6

Galatiana 5.2-6
2 [Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. 3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy. 4 Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo. 5 Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na: fanantenan'] 6 Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

Tano mafy tsara ny fahafahana efa nomen’ny Tompo

1- Aza manaiky havarina ho andevo intsony:

« …Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ny lalana, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo » (and 4). Maro ireo olona izay nanolo-tena ho an’ny Tompo rehefa nitoriana filazantsara. Misy ireo nilaza fa tsy maintsy forána araka ny lalan’i Mosesy aloha ireo olom-baovao ireo vao azo ekena ho isan’ny mpino. Niditra an-tsehatra i Paoly ka nanazava fa izay misafidy hiverina na hampiverina ny olona amin’ny fombafomba jiosy dia « mpitrosa tsy maintsy mankato ny lalana rehetra ». Izay misafidy hohamarinina amin’ny lalàna dia tsy maintsy miverina manaraka ny lalåna rehetra tsy an-kanavaka fa tsy ny sasantsasany ihany. Hoy Jesoa hoe: « Mankanesa aty amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalana, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo » (Mat 11, 28) Dikan-teny iombonana (DIEM).

2- Mandehana amin’ny fanahy sy finoana

« Fa izahay amin’ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana sy fahamarinana » (and 5); Ny finoana no amonjena antsika, « ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana ». Tsy nahatanteraka izay takian’ny lalana ilay jiolahy iray teo amin’ny Hazofijaliana, fa rehefa naneho ny finoany an’i Jesoa izy dia nambaran’i Jesoa taminy fa « hihaona amiko any am-paradisa ianao » (Lio 23, 43). Ilay didy ela dia nosoloin’i Jesoa didy vaovao. Ny mpino mandeha amin’ny Fanahy sy finoana dia mandeha amin’ny fitiavana, babon’i Kristy ka manaraka ny didiny; manana fanantenana miorina tsara handova fiainana mandrakizay.

Fanontaniana

Amin’ny fomba ahoana no hamonjena antsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny Zanaka Nateraky ny Fanahy sy ny F...

Talata, 10 Septambra 2024

1Jaona 5.4-5 1- Meteza haterak’Andriamanitra indray Ampiasaina hatrany ny hoe zanak’Andriamanitra kanefa tokony havahana tsara…

Ireo rehetra mino sy manaiky an’i Je...

Alakamisy, 5 Septambra 2024

Tsy i Paoly fa i Epafra no nanorina ny Fiangonana tao Kolosia. Olona avy tao…

Finoana sy Fanetren-tena Tahaka ny K...

Alarobia, 4 Septambra 2024

1- Meteza hihevitra ny hafa Indro Kapiteny iray no anton-dresaka eto ary tsy miaramila tsotra…