Raha tonga ny Tompo , harena toa inona no hitany ao am-ponao ?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Novambra 2021

MATIO 6.19-24

MATIO 6.19-24
19 Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. 20 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. 21 Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao. 22 Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany! 24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna* ianareo.[*Mamôna = harena]

Raha tonga ny Tompo , harena toa inona no hitany ao am-ponao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny mpanompon’Andriamanitra dia manao...

Alatsinainy, 25 Oktobra 2021

2 Korintianina 8. 16 – 24 « Fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny…

Ny batisa dia

Alarobia, 1 Septambra 2021

Amin’ny FJKM dia tsy ny habetsaky ny rano no zava-dehibe fa ny fisiany . Aina…

Mpiandry ondry manao ahoana no tadia...

Asabotsy, 21 Aogositra 2021

Misy iraka ampanaovina ny loholona izay hiantefan’ny teny eto: « andraso ny ondrin’Andriamanitra ». Raha ny fahazaran’ny…