Raha maharitra amin’ny teny ianao

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Febroary 2023

2 TIMOTY 3.14-17

2 TIMOTY 3.14-17
14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, 17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.

Raha maharitra amin’ny teny ianao

1-Tonga olon’Andriamanitra (and17a)

Antsoina hoe : olon’Andriamanitra ireo olona niaina sy nanaraka ny Tenin’Andriamanitra .Tsy mba nivadika tamin’Andriamanitra na dia nisy aza olana natrehany .Iray amin’ireny izay voalazan’ny Salamo 73 . Ianao koa raha maharitra amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ho tonga olon’Andriamanitra .Hoy i Jesoa :« Raha maharitra amin’ny teniko ianareo , dia ho mpianatro tokoa  » (Jao 8.31) .Tsy ny fahaizana ny Soratra masina no zava-dehibe fa ny faharetana sy ny fiainana izany ,izay mitondra fiainana ho antsika olombelona .

2-Tonga olona vonona amin’ny asa tsara (and17b)

Ny asa tsara ambara eto dia izay nambaran’i Jesoa hoe: « maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray « (Jao 10.32) .I sika izay miaina ny Tenin’Andriamanitra dia tonga mpanatanteraka ny sitrapony tahaka an’i Jesoa zanany . Ary noho ny hery entin’ny Tenin’Andriamanitra dia tonga mahery sy mahajoro hanao ny sitrapony isika .Ka tsy mikendry afa-tsy ny fitondrana fiainana ho an’ny manodidina antsika, satria ny Tenin’Andriamanitra no AINA ho an’izay mahazo azy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra . Izany no mahatonga antsika hiray tanjona amin’Andriamanitra .

Fanontaniana:

Inona avy no atao hampaharitra antsika amin’ny Teny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra Mpahary

Zoma, 27 Janoary 2023

Andriamanitra Mpahary 1- Mifandray amin’ny Jentilisa Fatra-pivavaka tokoa ny vahoaka Grika tranainy ary nanana ny…

Mitodika ho amin’Andriamanitra izao ...

Alakamisy, 26 Janoary 2023

Mitodika ho amin’Andriamanitra izao rehetra izao 1-Ny lanitra midera Azy Milaza ny fahamboniana faratampony ,…

Ny olona mahatsiaro ny faharian’Andr...

Asabotsy, 21 Janoary 2023

Ny olona mahatsiaro ny faharian’Andriamanitra 1- Midera sy mihoby Azy Ny fiderana dia tena fiainan’ny…