Paikadin’izay mila famonjena

Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Novambra 2020

MATIO 9.27-31

MATIO 9.27-31
27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô! 28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko. 29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. 30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao. 31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.

Paikadin’izay mila famonjena

1- Misafidy an’i Jesoa

Maro ny olona jamba no nisafidy hijanona eny amoron-dàlana hitady fiantrana amin’ny mpandalo .Izay mirahalahy kosa dia nisafidy ny tsy hijanona eo amoron-dàlana fa hanaraka an’i Jesoa ka hangataka fanasitranana . Izany no fihetsika tena faka tahaka hitantsika eto . Raha ny zavatra hita mantsy dia samy fangatahana avokoa, na izay atao amin’ny olona mandalo na ny antso atao amin’i Jesoa . Ny fiantrana ataon’ny olona dia manala ny ampahan’ny fahasahiranany fa ny fiantsoana an’i Jesoa dia manala ny fototry ny olana . Mazava ny Tenin’i Jesoa : » Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana , fa Izaho no hanome anareo fitsaharana » (Matio 11.28)

2-Manara-dia an’i Jesoa

Eo amin’ny and 28 rehefa nanontany azy ireo i Jesoa raha mino izy roalahy fa afaka mampahiratra azy ireo Jesoa dia « eny » no navaliny .Teny an-dàlana dia efa nanaraka sy niantsoantso an’i Jesoa izy ireo , ary nanaraka an’i Jesoa hatrany an-trano izay nidirany . Tanaraina izany fihetsik’izy ireo izany ka toa mora , fa tena sarotra tanterahina satria jamba izy ireo .Moa tsy toy izany koa ve no asain’ny Tompo ataontsika ? Misy amintsika anefa rehefa mivavaka ka tsy mahazo valiny eo no eo dia kivy sy miova hevitra ka mitady famonjena any an-kafa .Faharetana mivavaka Aminy no andrasana amintsika satria Izy no hany mahavonjy .

« … Tompo ô ,hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay  » (Jao 6.68)

Fanontaniana :

Efa manana tetika maty paika ve ianao hahitana famonjena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Finoana manao ahoana re no azonao  h...

Zoma, 23 Oktobra 2020

Mifampitohy  amin’ny fitantarana ny niakaran’I Jesoa tao Jerosalema  ity  perikopa anio  ity . Ny  vahoaka…

Ny olona mandroso amin’ny finoana

Zoma, 9 Oktobra 2020

Ny olona mandroso amin’ny finoana 1-Mivavaka amin’ny Fanahy Masina « …ka mivavaha amin’ny Fanahy Masina » (and20d)Niely…

Mpitory Filazantsara ianao, inona ny...

Asabotsy, 19 Septambra 2020

1-Barnabasy nampifandray ny Apostoly tamin’i Saoly (and 26-30) Mety ho làlana efa nolalovanao koa izao…