Ny zava-miafin’ny fanjakan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 16 Desambra 2025
Sal 42.8-11 / Hira 150 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462.1
Lioka 10,21 - 24
21 Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. 22 Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. 23 Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. 24 Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.Ny zava-miafin’ny fanjakan’Andriamanitra
1- Nafenina tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina
« ...Fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany…« . Ny « hendry sy ny manan-tsaina » lazain’i Jesoa dia ireo Fariseo sy ny mpanora-dalàna, izay nirehareha sy nihevi-tena ho zavatra amin’ny fahalalana ny momba ny fanjakan’Andriamanitra, ka manohitra sy tsy mety mandray ny fampianaran’i Jesoa. Nafenin’Andriamanitra tsy ho hitan’ny olona toy izany ny fanjakany. Ny fanekena hanetry tena sy handray ny fampianarana omen’i Jesoa no hananana fahalalana an’Andriamanitra sy ny fanjakany (Vakio ny and.22)
2- Naseho tamin’ny zaza madinika.
« …nasehonao tamin’ny zaza madinika…« . Ny olona mahitsy fisainana sy ny olona manetry tena no oharin’i Jesoa amin’ny « zaza madinika ». Tsy hafa izany fa ireo izay mahatsiaro ny tenany ho mangetaheta ny Tenin’Andriamanitra, ireo izay miaiky fa tsy ampy fahalalana ka manaiky hianatra zava-baovao avy amin’i Jesoa, sady miandrandra Azy mandrakariva.
3- Fehiny:
Fahajambana no vokatry fiavonavonana sy ny fireharehan’ireo izay mihevi-tena ho hendry sy manan-tsaina kanefa mandà ny fampianarana tsotra atolotr’i Jesoa; ary fahazavan-tsaina sy fahalalana kosa no vokatry ny fanetren-tena sy ny fahatsiarovana ho noana sy maniry te handre ny fampianarany. Ambaran’i Jesoa fa sambatra ireo mpianatra satria mahita ny Mesia, fa sambatra toa azy ireo koa isika raha mandray am-po ny Filazantsara (and.23)
Fanontaniana:
Inona no hevitry ny hoe: « manetry tena »?
Sampana Sekoly Alahady Foibe