Ny zanaka hendry

Mofonaina anio: Talata, faha 02 Desambra 2025

Sal 145. 1-5 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 39

Ohabolana 23,15 - 18
15 Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; 16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko*, Raha miteny marina ny molotrao.[Heb. voako] 17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro; 18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.

Talata, 02 Desambra 2025

Sal 145. 1-5 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 39

Olon-kendry no te hampita izany fahendrena izany amin’ireo mpianatra izay mihaino azy ireo. Raisiny ho toy ny raiamandreny sy zanaka izany fifandraisan’izy ireo izany. Taominy hanana fahendrena ireo mpihaino azy satria zava-dehibe izany, ary mitondra fifalina ho an’ny raiamandreny ny fahendrena ananan’ny zanaka. Hoy mantsy izy any amin’ny Ohabolana 10. 1a hoe: « ny zanaka hendry mahafaly ny rainy« . Mahafaly an’Andriamanitra raintsika tokoa isika zanany raha miaina amin’ny fahendrena ho voninahiny.

Zava-dehibe amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ny fahendrena araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Ny voaloham-pahendrena dia ny fahatahorana an’i Jehovah ». Ny atao hoe matahotra an’i Jehovah dia miteny ny marina ary tsy andrenesana afa-tsy ny sitrapon’Andriamanitra amin’ izay aloaky ny vavany. Izay ataony rehetra ihany koa, na fihetsika na fomba fiasa na fomba fiaina dia toy izany, mandritra ny tontolo androny, miaro ny tenany amin’ny ratsy noho ny fanajana ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny hoe matahotra an’i Jehovah ihany koa dia manompo Azy marina amin’ny fontsika rehetra, noho ny fieritreretana ny zava-tsoa nataony ho antsika. Raha hendry avokoa ny olona dia hirindra sy hilamina ny fiaraha-monina satria tsy hisy hifanafintohina.

Matahotra an’ Andriamanitra amin’izay rehetra ataonao ve ianao ?