Ny  vokatry  ny mazava dia :

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Septambra 2020

Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

EFESIANA 5.8-12
8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava 9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), 10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo. 11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. 12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.

Ny  vokatry  ny mazava dia :

1-Ao amin’ny fahatsarana rehetra

Ambaran’i Paoly  eto mazava fa ao amin’ny Tompo  isika ankehitriny . Miara-dàlana  amin’izany ny fitaomana antsika tsy hiray petsapetsa amin’ny asan’ny maizina . Tanterahina amin’ny fanaovana asa tsara izany .Fomba fiasa mazava , mahasoa , maharesy lahatra , manitsy izay diso , mitaiza  amin’ny fahamarinana, ary mizotra  ho amin’ny fahatanterahana  (2 Tim 3.16) . Ny fahatsarana  ambara eto àry dia fahatsarana  eo anatrehan’ny Tompo aloha, mitohy eo amin’ny mpiara-manompo ary azo ijoroana vavolombelona amin’ny tranga rehetra  sy ny sehatra rehetra.Fihetsika  faka tahaka. Tsy hiandrasana dera na laza aman’ olona fa atao ho an’ny Tompo .

2-Ao amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana

Ny teny  hoe : fahamarinana dia avy  amin’ny teny hoe : marina , toy ny marindrano  ka tsy misy avo sy iva fa mitovy tantana  lalandava.Tsy miankina  amin’ny tontolo  misy azy no mahatonga  ny rano ho marindrano na tsia  fa amin’ny sehatra rehetra . Raha ao anaty tavoahangy ny rano , na tsy manaraka   ny jidina aza ny tavoahangy , eny fa na dia  hatongilana aza , ny marindrano  tsy miova  fa eny hatrany . Toy izany koa no takiana amintsika mpanara-dia  ny  Tompo . Tsy hanao  tahaka ny tanalahy  ka mora hiova loko  , na tahaka ny trandraka ka hanaraka volontany.

Fanontaniana :

Inona avy ireo  fihetsika sy fitondrantena  ary  toetra mampiavaka ny olona mandeha amin’ny fahazavana ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mpitory Filazantsara ianao, inona ny...

Asabotsy, 19 Septambra 2020

1-Barnabasy nampifandray ny Apostoly tamin’i Saoly (and 26-30) Mety ho làlana efa nolalovanao koa izao…

« ny voninahitr’ ity trano ity any a...

Alahady, 6 Septambra 2020

Noho ny zava-misy mampalahelo voalaza eo amin’ny and 3 izay milaza ny faharavan’ny tempoly satri…

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …