Ny tsingerin’ny fifandraisan’ny mpino amin’ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Desambra 2020

EZEKIELA 3.1-3

EZEKIELA 3.1-3
1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely. 2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany. 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.

Ny tsingerin’ny fifandraisan’ny mpino amin’ny Tenin’Andriamanitra

Hita eto amin’ireo dingana nandraisan’i Ezekiela mpaminany ny Tenin’Andriamanitra :

1-Mahita :

Naseho an’i Ezekiela ilay horona-taratasy feno soratra ary tsy nanampi-maso teo anoloan’izany izy fa nibanjina ka nahita izany ( Eze 2.9). Dingana voalohany ny fahitana ireo Soratra izay asehon’Andriamanitra sy isehoan’ Andriamanitra ao anatin’ny Baiboly , ka aoka koa ny masontsika hifantoka amin’izany Soratra Masina asehon’Andriamanitra antsika izany ka hijery an’i Jesoa , Ilay teny tonga nofo , Tompon’ny finoana sy mpanefa azy.

2-Mihinana

Baiko nomena an’i Ezekiela ny hoe : « hano izay hitanao » , izany hoe : tsy tokony hijanona ho fahitana na ifandraisana ivelany fotsiny ilay soratra Masina fa tena alatsaka anaty , tsakotsakoina , dinihana tsara , ankafizina. Izany fihinanana ny Tenin’Andriamanitra izany indrindra no mahatonga azy ho loharanon’ny finoana ao anaty , hoy i Jesoa : »Dinihinareo ny Soratra Masina , ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay » ( Jao 5.39)

3-Mandeha mizara

Nantsoina hitondra ny Tenin’ Andriamanitra amin’ ireo mpiray firenena taminy i Ezekiela mpaminany , fa isika ihany koa rehefa nahita an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Teniny ka voky zava-tsoa avy amin’izany dia irahina mba hizara izany Tenin’Andriamanitra, mba hanome tsiro « mamy toy ny tantely« eo amin’ny fiaraha-monina . Tsarovy hatrany anefa fa tsy dingana mifanesy indray mandeha tsy miverina akory ireo fa mila iverimberenantsika matetika .

Fanontaniana :

Aiza ho aiza amin’ireo no misy anao amin ‘izao fotoana izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra miaro ny Tompo

Zoma, 27 Novambra 2020

Andriamanitra miaro ny Tompo Ny  Salamo  dia anisan’ny asa soratra  maneho ny  fifandraisana feno  amin’Andriamanitra .…

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy

Zoma, 20 Novambra 2020

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy Raha mamarana ny Epistily nosoratany i Joda dia…

Ny iraka mpitondra famonjena

Zoma, 6 Novambra 2020

Ny iraka mpitondra famonjena 1-Tsy mandeha araka ny saina Efa masaka tao an-tsain’i Paoly ny…