Ny toetra mampiavaka ny maritiora

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Aogositra 2020

Asan’ny Apostoly 7:51-60

Asan’ny Apostoly 7:51-60
51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa. 52 Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo, 53 dia olona izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany. 54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra. 57 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.

Ny toetra mampiavaka ny maritiora

1 – Sahy milaza ny toetra ratsin’ny mpanenjika

Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina,… Iza no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo ? (and. 51-52). Lavalava ny lahatenin’i Stefana manoloana ny fiampangana azy ho niteny ratsy an’i Mosesy sy Andriamanitra (and. 11). Sahy izy niteny mivantana ireo mpihaino azy, ary tsy nitsitsy fitenana ka nanondro ireo mafy hatoka, mpamono ny mpaminany, mpamadika. Ilaina ny mijoro amin’ny fahamarinana, manambara izay tsy rariny. Manondro ny rangory fototry ny afo. Mijoroa ka sahia.

2 – Manana finoana mafy orina

Fantatr’i Stefana tsara ny miandry azy vokatry ny fahasahiany. Tsy natahotra izy na nanenina fa vonona ny hiatrika ny fitsaran’olombelona. Feno ny Fanahy Masina i Stefana, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra (and. 55). Fitoraham-bato no setrin’ny filazany ny marina ary vonona hiatrika ny fahafatesana izy. Azony antoka fa handova ny fianana mandrakizay izy ka nijoro ary tsy voahozongozona ny finoany an’i Jesoa Kristy Tompo zay efa mafy orina.

3 – Mahay mamela heloka

Vavaka fangatahana famelan-keloka ho an’ireo mpitora-bato, nifofo ny ainy no nataon’i Stefana. Misy amin’ireo mpitora-bato no tsy mahalala izay tokony hataony, fa mpanara-kefa fotsiny. Mila mahay mamela heloka isika.

Fanontaniana :

Sahy miteny mivantana amin’ny olona amin’izay tsy mety ataony ve ianao ? (Jereo Mat. 18:15).


Mofon'aina teo aloha

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …

Ahoana no ilazana hoe :  mahasoa ny ...

Zoma, 7 Aogositra 2020

 1-Mahatsara  ny  fitandremana ny Tenin’Andriamanitra Noheverina  ho  zava-dehibe ny  maha- Jiosy  , satria  maha- olon’Andriamanitra …

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY...

Asabotsy, 1 Aogositra 2020

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY  MINO  1-Mibaiko ny  olony  ny Tompo Ny  tantaran’i Jesoa  fony  Izy…