Ny teny vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Febroary 2020

SALAMO 119.17-24

SALAMO 119.17-24
17 [GIMELA] Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao. 18 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao. 19 Vahiny et? an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao. 20 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva. 21 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao. 22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho. 23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. 24 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.

Ny teny vavolombelon’ny Tompo

1-Miaro amin’ny fahavalo (and22)

Ireo olona izay manana ny teny vavolombelon’ny Tompo , izany hoe : mitandrina ny didin’ Andriamanitra , dia misy manaraby , manaratsy , te-hanala baraka , te-hanisy ratsy ary miray tetika mihitsy aza ny manam-pahefana hahazoana manatanteraka izany. Manoloana izany , tokin’ny mpanao salamo dia izy manana ny didin’ Andriamanitra , ary izany no antoka sy toky ho azy . Koa na dia eo aza izay mety olana atrehana amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra dia tsy miala amin’izany ny mpino satria miantoka ny famonjena azy izany . Ny mpino maharitra amin’ny’ fizahantoetra , fitsapana noho ny amin’i Kristy dia hiara- manam-boninahitra Aminy.

2-Manolo-tsaina (and 24)

Ambaran’ny mpanoratra eto fa ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra no loharanom-pifaliany eo aminn’y fiainana.Mitondra fifaliana ,satria tahaka ny olona maro manolo-tsaina azy izany. Ary izany no mahatonga azy hieritreritra ny didin’ Andriamanitra mandrakariva satria tsy mamitaka ny saina azo avy aminy . Ho anao koa , tsarovy fa manolo-tsaina sy manoro hevitra ny olona ny didin’ Andriamanitra , ary mihoatra lavitra noho ny toro-hevitra avy amin’olombelona izany satria tsy mamitaka . Jesoa Kristy no mpanolo-tsaina tsara indrindra , amin’ny alalan’ny Fanahy Masina .Henoy àry ny teniny dia hanana fifaliana ianao .

Fanontaniana :

Inona no loharanom-pifaliana ambara eto ?


Mofon'aina teo aloha

Ny tenin’ny Fahasoavana

Zoma, 14 Febroary 2020

Ny tenin’ny Fahasoavana Mananatra ny loholon’ny Fiangonana tao Efesosy i Paoly Apostoly .Handao izy ,…

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …