Ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia :

Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Septambra 2022

LIOKA 4.42-44

LIOKA 4.42-44
42 Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy. 43 Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. 44 Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia.

Ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia :

1-Natao ho an’ny olona rehetra

Fomban’i Jesoa ny mitory ao amin’ny Synagoga rehefa vory ny vahoaka hivavaka , hihaino ny Tenin’Andriamanitra .Nampianatra izy , nitory ny vaovao mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra ho an’ny malahelo sy ny fanavotana ho an’ny ory .Nanamarika izany ny asa fanasitranana nataony (ara-panahy sy ara-nofo) .Vokatry ireo asa nataon’i Jesoa ireo dia te- hihazona azy ny olona (and 42), natao ho an’ny olona rehetra izy .Mampahatsiahy ny fiangonana ankehitriny koa i Jesoa fa tsy azo ferana amin’ny toerana iray ny Tenin’Andriamanitra , fa natao ho an’ny olona rehetra .

2-Tsy maintsy toriana

Voasoratra hoe: « ary Izy nitory teny tao amin’ny Synagoga eran’ny Galilia  » (and44). Koa satria natao ho an’ny olona rehetra ny Teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia nanan-danja tamin’i Jesoa ny asa fitoriana , izay antoky ny famonjena ny fanahy . Nikely aina fatratra Izy satria izany no nanirahana azy. Midika izany fa te- hamonjy ny tany rehetra izy ka nanome baiko ny mpianatra hoe : « Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra  » (Mar 16.15) .Maniraka ny fiangonana ankehitriny koa Jesoa mba hanohy ny asa izay efa natombony , dia ny hanambara ny Teny soa mahafaly amin’izao tontolo izao mba handraisana ny famonjeny .Asain’i Jesoa mitety tanàna maro koa isika amin’ny alalan’ny Tafika masina, miala amin’ny toerana mahazatra .

Fanontaniana :

Inona no hataonao hanomezana lanja ny asa fitoriana ny Teny soa mahafaly aminn’y hafa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny tena mpanompon’Andriamanitra

Alahady, 11 Septambra 2022

Ny tena mpanompon’Andriamanitra 1-Miaritra fanenjehana mafy noho ny amin’i Kristy Olo-malazan’ny Baiboly i Stefana ,…

Inona no ataonao manoloana tsindry h...

Asabotsy, 10 Septambra 2022

1-Ampahoriana mandrakariva ny malahelo Voalaza eto fa nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny…

Mandeha ho azy ve ny fitondrana ny T...

Alakamisy, 8 Septambra 2022

1-Miteraka fanamelohana ho an’ny tena ny fahasahiana milaza ny hafatr’Andriamanitra Antsoina sy tondroina ho mpaminany…