Ny tena mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Jolay 2020

2 MPANJAKA 6.1-7

2 MPANJAKA 6.1-7
1 [Ny nampitsinkafonan'i Elisa ilay lela-famaky latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao. 2 Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo. 3 Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho. 4 Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo. 5 Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky*; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy] 6 Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky. 7 Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.

Ny tena mpanompon’Andriamanitra

1-Tsy sarotra iaraha-monina (and1-4)

Rehefa nilaza tamin’i Elisa ny zanaky ny mpaminany ( tsy zanaka nateraka akory fa ny mpianatry ny mpaminany ) fa tery ny toerana nametrahana azy ireo tao amin’i Elisa ka mangataka hankany Jordana hanao trano any izy ireo dia am-pahatsorana no namalian’i Elisa hoe: « Mandehana àry ianareo« .Tsy izany ihany fa nangatahan’ny mpianany koa izy mba hiaraka amin’izy ireo dia tsotra ny teniny : »handeha ihany aho » ,tsy mba sarotra atonina na sarotra ifandraisana i Elisa na dia izy aza no mpampianatra . I Jesoa dia toy izany koa , tsy mba nanahirana ny olona ny nanatona azy sy nitaraina taminy fa noraisiny tsara avokoa ny sokajin’olona rehetra .Ianao koa, mpanompon’Andriamanitra , koa aoka ho olona tsotra sy azo ifampiresahana ka tsy hiferina aina ny olona hanatona anao fa sao hoe mahazo « teny gasy » na avonavona na fanambaniana.

2-Mamonjy izay tra-pahasahiranana (and5-7)

Rehefa teo am-piasana i Elisa sy ny mpianany dia latsaka tao anaty rano ny lelam-pamakin’ny anankiray tamin’izy ireo ka nitaraina tamin’i Elisa izy ary nitsotra fa famaky nindramina iny .Izany hoe: tsy maintsy averina . Ny mpianatry ny mpaminany koa anefa tsy dia manan-katao loatra na mpanam-bola matoa nindrana .Fa mahavariana ny fahatsorampo sy ny fahavononan’i Elisa hamonjy azy : « taiza no nahalatsahany ? » ary dia nampiasa ny fanomezam-pahasoavany i Elisa hamonjena ny mpianany dia nitsikafona tambonin’ny rano ny lela-famaky. I Jesoa dia toy izany koa : meteza ho mpamaha olana , ary aoka ho be fitiavana , ho velona ho an’ny hafa .

Fanontaniana :

Mpanompon’Andriamanitea manao ahoana àry ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Inona no efa nataonao  hanatsaranao ...

Alarobia, 17 Jona 2020

MIHAVANA  AO  AMIN’NY  TOMPO Mampiavaka ity toko faha-19 ity ilay Teny mialoha eo amin’ny and…

Ny Fanahy Masina

Asabotsy, 30 Mey 2020

Ny Fanahy Masina Toe-javatra nitranga tamin’ny andron’ny Pentekosta , izay nanatanterahan’i Jesoa Kristy ny teny…

Ny Fanahy Masina  sy ny asam-pamonje...

Alarobia, 27 Mey 2020

Ny Fanahy Masina  sy ny asam-pamonjena “Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra  kosa no amoahako  ny  demonia,…