Ny tena mpanompon’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Janoary 2026

Sal 1 / Hira 164:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 26:1-2

Filipiana 4,10 - 16
10 [Saotra nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo. 11 Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. 12 Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. 13 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy. 14 Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy. 15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana* nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [* Gr. eklesia] 16 Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.

Ny tena mpanompon’ Andriamanitra

1- Mahay mifampitsinjo sy mifanampy

Ny Fiangonana tao Filipy dia nijoro amin’ny maha mpianatry ny Tompo tokoa ka nifankatia sy nifanampy, na dia samy sahirana aza. Tsy nanaik izy ireo raha tsy nanampy an’i Paoly ara-bola izay nifonja tany Roma. Azo lazaina aza fa izy ireo mihitsy no niantoka ny filàn’i Paoly tamin’ny zavatra rehetra. Izany no tena mpanompon’ Andriamanitra: mahay mifampitsinjo amin’ny zava-tsarotra. « Izay tena sakaiza tokoa dia miseho ho rahalahy amin’ny andro sarotra ».

2- Mahay mankasitraka

Nanoloana izany ezaka fanampiana nataon’ny Fiangonana tao Filipy izany dia faly tokoa i Paoly ka nisahirana nanoratra mba ho fankasitrahana azy ireo. Ny tena mpanompon’ Andriamanitra tokoa dia mahay mankasitraka noho ny soa ataon’olona na ataon’Andriamanitra aminy. Aoka isika hahay mankasitraka fa tsy hanao toy ireo boka sivy lahy.

3- Mahay miaina amin’ny zava-misy rehetra

Nahay nankasitraka ny ezaka nataon’ny Fiangonana i Paoly, na dia efa notefen’Andriamanitra hahay miaina amin’ny toe-javatra rehetra aza. Nambarany fa ny olona manaraka an’i Kristy dia tsy maintsy manana toetra toa azy: mahalala hietry sy mitombo; nampianarina ho voky sy noana ary hanam-be sy ho malahelo. Mahay ny zavatra rehetra satria Andriamanitra no mampahery.

Fanontaniana:

Mahay ny zavatra rehetra tokoa ve ianao amin’ny fampaherezan’i Jesoa anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra

Alahady, 25 Janoary 2026

Sal 101.1-5/Hira33:1-2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 622. Isaia 65:17-25 Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra 1- Mamindra fo Izy Ny faharian’Andriamanitra…

Ny sandan’ny fanasitranan’i Jesoa

Asabotsy, 24 Janoary 2026

Ny sandan’ny fanasitranan’i Jesoa 1- Ny finoana sy ny famindrampony Tsy afaka mifanerasera amin’ny olona…

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehe...

Zoma, 23 Janoary 2026

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra 1-Miaro amin’ny fahalavoana Voalaza eto ny hoe « maharo anareo tsy…