Ny sandan’ny fanasitranan’i Jesoa

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Janoary 2026

Sal 7. 1-3 / Hira 36: 1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488:1-2

Lioka 17,11 - 19
11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i* Samaria sy Galilia.[*Na: Teny anelanelan'i] 12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. 13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. 14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. 15 Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery 16 sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. 17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? 18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? 19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.

Ny sandan’ny fanasitranan’i Jesoa

1- Ny finoana sy ny famindrampony

Tsy afaka mifanerasera amin’ny olona rehetra ny boka teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy. Izany no nahatonga ireto boka ireto nijanona lavitra an’i Jesoa raha nangataka famindrampo taminy sy hitalaho Aminy ho fangatahana fanasitranana. Ny fangatahana famindrampo dia endriky ny fangatahana fiantrana sy fanasitranana azy ireo. Nino izy ireo fa manana fahefana hahasitrana azy i Jesoa

2- Ny fankatoavana ny Teniny

Nanana fo feno famindrampo sy fiantrana azy ireo tokoa i Jesoa ka nanatanteraka avy hatrany ny fanasitranana azy ireo ary niteny hoe: « Mandehana misehoa any amin’ny mpisorona ». Ny olona sitrana mantsy no mandeha miseho any amin’ny mpisorona araka ny lalana. Nandeha araka ny Tenin’i Jesoa tokoa izy ireo, ary dia nahita ny fanasitranana teny an-dalana. Ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa no manasitrana.

3- Ny fahaizana mankasitraka an’Andriamanitra

Rehefa sitrana ireo boka dia ny iray ihany izay Samaritana no nahatsiaro niverina tany amin’i Jesoa mba hankalaza an’Andriamanitra. Nanome tsiny iretsy ambiny i Jesoa satria tsy nahay nanolo-tena ho an’ny Tompo. Tsy hay izay niafaran’izy ireo fa ity Samaritana ity kosa dia nahazo tsodrano avy amin’i Jesoa hoe: « Mandehana, ny finoanao no efa nahavonjy anao ». Ilaina tokoa ny mahay mankasitraka.

Fanontaniana:

Mino ve ianao fa mahasitrana anao ny finoana sy ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehe...

Zoma, 23 Janoary 2026

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra 1-Miaro amin’ny fahalavoana Voalaza eto ny hoe « maharo anareo tsy…

ny fahasoavan’Andriamanitra

Alakamisy, 22 Janoary 2026

Ny fahasoavan’Andriamanitra 1-Nanendry an’i Paoly hitory ny haren’i Kristy Manoloana ny nifidianan’i Jesoa an’i Paoly…

Ny làlana itondran’Andriamanitra ny ...

Alarobia, 21 Janoary 2026

Sal145.1-5/Hira165;1-2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira627:1- Eksodosy 15.22-26 Ny làlana itondran’Andriamanitra ny olony 1-Izay hahafahany maneho ny famonjeny Ny lalana…