Ny sabata
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Martsa 2026
Sal.19. 1-6 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 480
Marka 2,23 - 27
23 Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana. 24 Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata? 25 Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy, 26 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy? 27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata.Ny Sabata
1-Natao hitondra fiainana
« Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata. » (And. 27) Araka ny lalana dia fady amin’ny andro Sabata ny mijinja, manosy vary, mikarakara sy mahadro sakafo. Nandika izany lalana izany ny mpianatr’i Jesoa eto. Nanome rariny ny mpianatra anefa i Jesoa satria nandray ohatra ny amin’i Davida nihinana ny mofo aseho. Araka izany, amin’i Jesoa, rehefa mikendry fahavelomana sy fiainana no atao dia tsy mahameloka ny manao zavatra amin’ny andro Sabata. Ny olona no mampiasa ny Sabata mba hitondra fiainana. Noho izany, ny zavatra rehetra izay mitondra fiainana sy fahavelomana ho an’ny olona no ambony noho ny fanajana ny andro Sabata.
2-Manambara an’i Jesoa
« …ka dia Tompon’ny Sabata aza ny Zanak’olona. » (And. 28) Jesoa Kristy, araka ny nanendren’Andriamanitra Azy dia ambony noho ny rafitra sy ny fanorenana ny Sabata. Ary ny hevitry ny hoe « Zanak’Olona » aza dia milaza ny fananan’i Jesoa fahefana hitsara izao rehetra izao. Noho izany, raha mikendry famonjena sy fanafahana ary fitsaharana ho an’ny olona ny Sabata, efa tonga nofo i Jesoa Mpamonjy, Mpanafaka, ary fitsaharana ho an’izay rehetra manatona Azy. Jesoa Kristy no Sabata (Fitsaharana). fitsaharana dia tsy ny fitandremana ny andro akory fa ny fanatonana. Ny tena an’i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga an’i Jesoa niteny hoe: « Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana ». (Mat. 11:28)
Fanontaniana:
Inona avy ireo hevitra hafa fantatrao momba ny Sabata?
Sampana Sekoly Alahady Foibe