Ny olona tia an’i Jesoa
Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Martsa 2026
Sal. 145. 1-7 / FFPM 549, 1 / Vavaka / Mofonaina / FF 24, 2
Jaona 21,15 - 19
15 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. 16 Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. 17 Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. 18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. 19 Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.VOLANA MARTSA : MITARIKA HO AMIN’NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO
Ny olona tia an’i Jesoa
1- Manahy sao tsy mahavitra ny nampanaovina azy
« Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao?» (And. 17). Nalahelo i Petera noho ny fanontaniana in-telo napetrak’i Jesoa taminy satria tsaroany ny fandavana an’i Jesoa in-telo tamin’ny nisamborana an’i Jesoa. Manahy i Petera sao milokaloka fotsiny manaiky ny hamahana ny ondrin’i Jesoa saingy tsy hahavita izany akory. Raha mianiana na manao fanekena na miseho ho vonona amin’ny andraikitra sy ny iraka ampanaovin’i Jesoa anao hianao, dia tanteraho izany araka ny nanekenao azy teo anatrehan’i Jesoa. Aza mitady fanazavana na antony tsy nahavitana ny asa fa tanteraho izay efa nekenao teo anatrehan’i Jesoa sy Fiangonana vavolombelona; fa asa vita ihany no andrasan’i Jesoa amintsika nantsoiny.
2- Manararaotra ny fotoana
« Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin’izay tianao;… » (And. 18). Teny nataon’i Jesoa ho fampahatsiavana an’i Petera fa raha mbola tanora dia afaka misafidy an-kalalahana izay tiana atao satria ao anatin’ny hery sy tanjaka tanteraka. Rehefa antitra kosa, tsy manan-tsafidy fa mandeha amin’izay tian’ny hafa itondrana azy. Noho izany, tokony hararaotina ny fotoanan’ny fahatanorana anaovana ny asan’i Jesoa fa tsy hangatak’andro lava amin’ny fanaovana ny asa napetrak’i Jesoa taminao. Tsy ankasitrahin’i Jesoa ny fangatahan’andro lava amin’ny fanaovana ny iraka napetrany amin’ny mpianany, dia isika kristiana izany. Aza mba ho isan’ny olona mpangatak’andro lava. Ataovy avy hatrany ny asa nomen’i Jesoa anao.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hihoaranao ireo olana tsy ahavitana ny asan’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe