Ny olona miantso an’Andriamanitra ho Rainy
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Desambra 2025
Sal 119. 1-8 / Hira 194 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 02
1 Petera 1,17 - 21
17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo et? ; 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, 19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; 20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo 21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.Ny olona miantso an’Andriamanitra ho Rainy
1-Mitondra tena amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra
Mitaona ireo Kristiana miantso an Andriamanitra ho rainy noho ny amin’i Jesoa Kristy i Petera eto. Masina izany Andriamanitra Ray izany. Mitaky fahamasinam-pitondrantena koa ny fanarahana sy finoana Azy, araka ny voalaza hoe: « ho masina ianareo satria masina Aho » (and 16). Izany fahamasinam-pitondrantena izany dia ho enti-miaina any amin’ny tany fivahinianana. Ny Fiangonana anoratan’i Petera izay mivahiny any am-pielezana any Ponto, Kapaodikia, Galatia, Asia sy Bitanya. Tsy tokony hanaraka ny fahadalan’ny olona any, ary indrindra tokony hanana fahamasinana eto an-tany fivahinianana satria any an-danitrano tena fonenan’ny mpino.
2-Mahafantatra fa novonjen’ny ràn’i Kristy
Manoratra amin’ny olona efa nandray ny famonjena i Petera eto. Izy irco dia tokony hahafantatra fa izany famonjena noraisiny izany día tsy novidiana tamin’ny volamena na volafotsy akory sanatria, fa novidiana tamin’ny rà soan’i Kristy. Noho izany dia tokony ho tandrovana mafy amin’ny fahamasinana izany famonjena izany, mba ho voninahitr’Andriamanitra. Jesoa Kristy Ilay efa Izy hatrizay nahariana izao tontolo izao, kanefa dia nanaiky ho tonga tety an-tany mba hatao sorona ho fanavotana ny maro. Fitiavana lehibe tokoa izany asehon’i Jesoa Kristy amintsika izany; ary tiany hampahafantarina ihany koa ho an’izay mbola tsy mahalala. Ny olona tsy mahafantatra ny famonjen’i Kristy azy no manao fitondrantena adaladala.
Fanontaniana:
Fantatrao tsara ve fa ny ràn’i Kristy no nanavotany anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe