Ny olona miaina ao anatin’ny alahelo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Martsa 2026
Sal.32. 5-7 / Hira 167 1, 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 22
Fitomaniana 3,37 - 45
37 [MEMA] Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo? 38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ? 39 Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy*? [Na: Eny, nahoana no imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?] 40 [NONA] Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah. 41 Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika. 42 Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka. 43 [SAMEKA] Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao. 44 Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka. 45 Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay.Ny olona miaina ao anatin’ny alahelo
1-Mahatsiaro ny fahotany
«Koa ahoana no imonomononan’ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ny fahotany avy?» (And. 39) Babo tany Babylona ny Jiosy. Nalahelo satria rava ny tanana tany Jerosalema, potika ny Tempoly, rava ny manda satria tsy nankato ny Tenin’ Andriamanitra. Nanoloana izany, nisy tamin’ny vahoaka lasa babo no nimonomonona. Nambaran’ny mpaminany fa tsy ny mimonomonona akory no vahaolana fa ny fiaikena ny heloka vita. Ho anao àry, raha tojo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, dia aza variana amin’ny fimonomononana na ny fanomezan-tsiny ny hafa fa aleo mibebaka. Aleo miaiky heloka eo anatrehan’ny Tompo fa tsy variana amin’ny fimonomononana sy ny fanomezan-tsiny amin’ Andriamanitra sy manome tsiny ny hafa.
2-Mangataka famelan-keloka
«Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’i Jehovah. » (And. 40) Mitaona ny mpiray firenena aminy ny mpaminany mba. « handinika sy hamantatra ny alehany » avy. Izany hoe samy mamantatra ny toetrany na misy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra na tsia. Satria niala tamin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra izy ireo dia tokony hiverina Aminy indray. Raha izany, ny olona mahatsapa ny fahadisoany eo anatrehan’Andriamanitra no mangataka famelan-keloka ka miverina amin’Andriamanitra. Atao hoe miverina amin’Andriamanitra ny olona rehefa miala amin’ny fanao ratsy ka ny miveriana amin’ny fankatoavana sitrapon’ Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesoa Kristy. Koa miverena amin’ Andriamanitra dia hamindra fo aminao Izy.
Fanontaniana
Inona mahatonga ny olona tsy hahay miaiky ny fahadisoany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe