Ny olona matoky an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Martsa 2026

Sal.140.1-4 / HF 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 354 1,2

Salamo 139,19 - 24
19 Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô*, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà. [Na: Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô] 20 Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana. 21 Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra* amin'izay mitsangana hanohitra Anao? [Heb. ho maloiloy] 22 Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny. 23 Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; 24 Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.

Ny olona matoky an’Andriamanitra

1-Mankahala ny mpanao ratsy

« Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana. » (And. 20). Misy ireo olona izay mpanao ratsy, eny, mpamono olona mihitsy aza, kanefa mazoto manao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra. Manao fanekena, mianiana, milokaloka amin’ Andriamanitra ho fanafenana ny ratsy atao. Mankahala ny olona tahaka izany ny mpanao Salamo satria manonona foana ny anaran’i Jehovah. Tarihin’ny Soratra Masina indray isika mpino eto mba tsy hanao ny fanaon’ny mpanao ratsy, hananatra ny ratsy fanahy, ho marina amin’ny fanekena sy teny ary ny fianianana izay atao eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy naman’ny mpanao ratsy fa mitondra an’i Jesoa eo aminy.

2-Madio fo sy saina

« Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko: Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro… » (And. 23). Raha nilaza ny faharatsian’ny ratsy fanahy ny mpanao Salamo dia tsy tamin’ny vava fotsiny no nilazany izany fa tena tamin’ny fo tokoa. Izany no nahatonga azy nangataka amin’ Andriamanitra hijery ny fony sy ny eritreriny hanamarina fa tena tsy tia ny ratsy tokoa izy. Noho izany. isika kristiana ihany koa mila marina amin’ny teny aloaky ny vava sy ny fisainana ary ny ao am-po. Andriamanitra mahita ny miafina ao am-po sy ny ao an-tsaina no angataho hanamarina fa madio io saina sy fo io. Angataho ihany koa Izy mba hiditra ao anatinao hanadio ny fonao sy ny sainao ary hanafaka anao amin’ny ratsy fanahy mba hiainanao ny fahamarinana. Jesoa Kristy no mahay manadio ny fo ny saina tsy ho azon’ny ratsy. Koa angataho izy hitahiry antsika amin’ny fahadiovana.

Fanontaniana:

Inona ny fomba iarovanao tena amin’ny faovan-dratsy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mandre ny Filazantsara

Zoma, 13 Martsa 2026

Ny olona mandre ny filazantsara 1-Mibebaka « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, (…) mba hahazo famelana…

Ny olona mandre fananarana

Alakamisy, 12 Martsa 2026

Ny olona mandre fananarana 1-Mihaino « Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana. »…

Jesoa Kristy manome ny hevitry ny la...

Alarobia, 11 Martsa 2026

Jesoa Kristy manome ny hevitry ny Lalàna 1- Manova ny fisaianan’ny olona « Fa Izaho kosa…