Ny olona matoky an’Andriamanitra.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Desambra 2025
Sal 130.1-5 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 476
Salamo 73,25 - 28
25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy et? ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. 26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. 27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. 28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.Alarobia, faha 03 Desambra 2025
Sal 130.1-5 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 476
Salamo 73. 25-28
Ny olona matoky an’Andriamanitra.
1-Andriamanitra no faniriana lehibe aminy
Saika solafaka i Asafa raha nieritreritra ny fiainan’ny ratsy fanahy, ary saika nanimba ny fahatokiany an’Andriamanitra izany. Nampahery azy anefa Andriamanitra manoloana izany, ka niverina indray ny fahatokiany tanteraka an’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny hery sy ny fahefana ety an-tany ka hatrany an-danitra. Izany no nahasahiany nilaza fa « tsy misy ety ambonin’ny tany iriny tahaka an’Andriamanitra« , satria na maty izy na velona dia azo antoka ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra ilay hanome azy ny fiainana mandrakizay. Izay mihataka Aminy kosa dia ho very.
2-Manao an’i Jehovah ho arony.
Ny olona miala amin’Andriamanitra sy miaina ao anatin’ny fahotana dia ho very sy ho voaringana. Satana koa dia mitady izay handringanana ny olona ao anatin’ny fahotana izay amandrihany azy. Manoloana izany dia mahatsapa ny mpanao Salamo fa ny fitoerana eo akaikin’Andriamanitra ihany no fiarovana tsara sy azo antoka indrindra ho azy, ka ilazany fa: « ny eo akaikin’ Andriamanitra no maha tsara azy« . Jehovah irery ihany tokoa no hany fiarovana ho an’ny olona matoky an’Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin’ny II Samoela 22,2 manao hoe: « Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary mpamonjy ahy »
Fanontanaina:
Mba maniry an’Andriamanitra sy te hitoetra miaraka Aminy mandrakizay ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe