Ny olona maniry ho mpianatr’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Jolay 2024

Jaona 1. 35-39

Jaona 1. 35-39
35 Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy; 36 ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra! 37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy. 38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra? 39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay.

Ny olona maniry ho mpianatr’i Jesoa Kristy

1- Manontany ny toerana misy Azy

Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, « Mpampianatra ô) aiza Hianao no mitoetra?» (And. 38) Tamin’izany fotoana izany, ny fanontanian’ny mpianar’i Jaona roalahy an’i Jessoa Kristy hoe: « aiza hianao no mitoetra » dia midika ho faniriana te-hiaraka amin’i Jesoa mandritry ny fotoana lavalava kokoa. Naniry te-hiaramonina amin’i Jesoa izy roalahy ireto. Mitodika amintsika koa izany fanontaniana izany. Maniry te-hiaramonina amin’i Jesoa ve ianao. Sa ianao ilay tsy mba manana izany faniriana izany? Fa ny olona izay manana faniriana hitoetra maharitra miaraka amin’i Jesoa Ihany no ilazany ny toerana misy Azy, dia any am-piangonana izany, raha amin’izao andro iainantsika izao. Raha maniry hiaraka amin’i Jesoa ny olona dia mahita ny toerana misy trano Fiangonana.

2- Miara-monina Aminy

«…Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’izany andro izany… » (And. 39)

Rehefa nahita ny toerana nisy an’i Jesoa ireto mpianatra roalahy ireto, indrindra rehefa ndre ny tenin’i Jesoa hoe « avia, fa ho hitanareo » dia nandeha nanaraka Azy sady niara-nitoetra taminy. Tsy nijanona hatreo amin’ny fahitana ny toerana misy an’i Jesoa fotsiny izy ireo fa niara-nitoetra taminy mihitsy. Rehefa maniry ho mpianatr’i Jesoa Kristy ny olona dia miara-mitoetra Aminy. Mahafoy andro, mahafoy fotoana, ary manana faharetana hanarahana sy ihainoana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny toerana izay misy Azy. Misy ihany anefa ny olona milaza ny tenany ho mpanaradia an’i Kristy saingy tsy tamana ao am-piangonana, tsy manana faharetana mihaino ny teniny. Mila maharitra miara-mitoetra amin’i Jesoa Kristy isika.

Fanontaniana:

Inona no antony tsy anananao faharetana ao am-piangonana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra manome fahefana ny ira...

Alahady, 21 Jolay 2024

Andriamanitra manome fahefana ny irany 1- Mandresy ny herin’i satana «dia nisambotra ilay dragona izy…

Ny olona mitandrina amin’ny mpamitak...

Asabotsy, 20 Jolay 2024

Ny olona mitandrina amin’ny mpamitaka 1- Mahazo valim-pitia «fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. » (And.…

Ny Fitiavana sy ny Fahaiza-Mitarika ...

Alatsinainy, 15 Jolay 2024

Resaka nifanaovan’i Jesoa sy i Petera ity mofonainantsika ity. Hitantsika avy amin’izany fa i Jesoa:…