Ny olona mandre ny Filazantsara
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Martsa 2026
Sal. 32.1-7 / Hira 28 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 437
Asan'ny Apostoly 2,29 - 39
29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. 30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [*Na: hapetrany] 31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy] 32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. 33 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] 34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana 35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). 36 Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. 37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? 38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; 39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.Ny olona mandre ny filazantsara
1-Mibebaka
« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, (…) mba hahazo famelana ny helokareo« . (And. 38). Izany no nambarany rehefa avy nilaza ny amin’ny maha taranak’i Davida an’i Jesoa sy ny maha Mesia Azy ary ny fitsanganany tamin’ny maty sy ny nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana. Rehefa voatsindrona tam-po ny olona dia nanontany ny tokony hataony. Valin-tenin’i Petera dia hoe « mibebaha ». Ny fibebahana ihany no antoka hahazoana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Fanekena hiova sy hanova fomba fisainana; manaiky hizotra ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Maneke hiala amin’ny faharatsiana ka aoka hanova fomba fisainana, ary tsy hiverina amin’izany intsony.
2-Mandova ny teny fikasana
« ...fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, … » (And. 39). Rehefa voavela heloka ny olona, manana fiadanana, vita fihavanana amin’Andriamanitra, dia mandray ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no manavao sy manamasina azy indray. Ka ny zanaky ny olona manana ny Fanahy Masina dia mandova ny teny fikasana nataon’Andriamanitra taminy. Araka izany, ny vokatry ny fibebahana ataon’ny olona iray dia misy fiatraikany tsara amin’ny taranany, dia ny fandovana ny teny fikasana. Mandova ny vokatry ny fibebahana nataon’ny ray aman-dreny ny zanany. Ka ny fitahiana sy ny fahasoavana naterak’izany dia miampita amin’ny taranany avokoa. Koa mibebaha, raiso ny Fanahy Masina ho soa ho an’ny taranakao.
Fanontaniana:
Inona avy ireo fiovana vokatry ny fibebahana fantatrao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe