Ny olona manantena an’i Jehovah

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Desambra 2025

Sal. 131.1-3 / Hira 12 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462

Salamo 37,1 - 7
1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. 3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana. 4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. 5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. 7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenĂ  Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.

ManantenĂ  an’Andriamanitra!

Sal. 131.1-3 / Hira 12 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462

Fahita eo amin’ny fiainana ny toa endrika fifaliana sy fiadanan’ny ratsy fanahy eo am-panatanterahana sy eo ampisitrahana ny vokatry ny asa ratsiny ka mahatonga ny olona halaim-panahy haloto saina sy fo amin’izy ireny. Ny olona tsy mino an’Andriamanitra no mety ho tratr izany fandriky ny devoly handoto ny fony amin’izany. Ny olona mino an’Andriamanitra kosa dia resy lahatra fa ho avy faingana ny fotoana hampiasan’ Andriamanitra ny fahefany hijinja sy handringana azy ireny ka tsy tokony hampiasana saina satria mandalo ihany ka tsy maintsy hisy farany. Tsarovy fa miserana ihany ny fifalian’ireo izay nanombo an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana.

Eto ny mpanao salamo dia mitaona ny olona tsy handoto fo sy saina amin’ny mpanao ratsy ka hanary tena mitovy amin’izy ireny ihany. Ny tokony hatao dia ny mampitodika ny saina hanana fahatokina mafy an’Andriamanitra izay afaka manatanteraka ny fikasana tsara rehetra. Ny olona tsy mandany andro handoto ny fony amin’ny fialonana dia manana fo madio ka hahita ny voninahitr Andriamanitra amin’izay anantenany Azy satria hoy ny Soratra Masina hoe: « Sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’Andriamanitra. Ny olona madio fo ihany no afaka manana fahatokiana an’Andriamanitra izay afaka hampiseho ny fahamarinany.

lanao ve mbola mialona ny ratsy fanahy? Diovy ny fonao!