Ny mpianatry ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Septambra 2022

Ny mpianatry ny Tompo

1-Olom-boantso

Niantso ny mpianany i Jesoa (and1). Nantsoin’ny Tompo amin’ny anarany tsirairay avy ireo mpianatra 12 lahy . Fantany tsara ireo ary nofidiany tao anatin’ny maro .Tsy ilay andraikitra nahafantarana azy taloha intsony no hahafantarana ireo , fa mpianatry ny Tompo ireo Apostoly ireo . Ho anao koa : kristiana ianao ankehitriny , olom-boantson’ny Tompo , olom-boafidy manokana ,omena fahefana , malala eo imason’ny Tompo , be voninahitra sady tiany. .Fahefana hamoaka fanahy maloto

2-Nomena fahefana manokana

Nanome fahefana azy ireo Jesoa (and1b). Fahefana hamoaka fanahy maloto, hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra .Tsy hamaha olana ara-panahy ihany ny fahefana nomena azy ireo fa mahakasika ny olona manontolo dia saina , vatana ihany koa.

3-Nomena iraka manokana

Nirahin’i Jesoa ireo ka nodidiany ho any amin’ny ondry very any amin’ny taranak’Israely . Misy firotsahana mivantana amin’ny iraky ny Tompo .Misy toerana aleha ary misy ondrin’nyTompo izay mila famonjena .Tsara ny mihaino sy mandray fampianarana fa efa fotoana firotsahana an-tsehatra amin’ny iraky ny Tompo izao .

4-Mahita fahombiazana

« ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny «  (and10b).Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .

Fanontaniana:

Hazavao fa mananjara tokoa ny mpanompon’nyTompo

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny mpanompon’Andriamanitra mikely ai...

Asabotsy, 17 Septambra 2022

Ny mpanompon’Andriamanitra mikely aina amin’ny fitoriana ny Filazantsara 1-Momba azy ny Tompo Ny fahombiazan’ny fitoriana…

Tanteraho ny asan’Andriamanitra.

Zoma, 16 Septambra 2022

Tanteraho ny asan’Andriamanitra. 1.Satria izy no maniraka Natanjaka ny antson’ Andriamanitra niantefa tamin’i Ezekiela: « Ry…

Ny tena mpanompon’Andriamanitra

Alahady, 11 Septambra 2022

Ny tena mpanompon’Andriamanitra 1-Miaritra fanenjehana mafy noho ny amin’i Kristy Olo-malazan’ny Baiboly i Stefana ,…