Ny mpanompo tsára an’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Desambra 2025
Sal. 108.1-5 / Hira 549 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 21
1 Timoty 4,6 - 10
6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. 7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. 8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra. 10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.Ny mpanompo tsara an’i Jesoa Kristy
1- Manoro hevitra ny rahalahiny
Hoy ny voasoratra « … Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’i Kristy Jesosy… » (and.6). Nolazain’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly Paoly mantsy fa hisy ny fihemorana amin’ny finoana, izay hahazo ny olona sasany vokatry ny « fanahy mamitaka » na ny « fampianaran’ny demonia »; izay tsy mikendry afa-tsy ny hampihemotra ny mpino mba hamotehana ny asan’ny Fiangonana. Amin’ny maha mpitarika Fiangonana an’i Timoty dia ampiomanina sy ampianarina izy mba hahaizany miatrika izany. Toy izany koa isika Kristiana, amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra dia adidintsika ny manoro hevitra ireo izay efa nihemotra sy ireo izay niala tamin’ny finoana. Tandremo anefa fa ilana fahendrena sy fahamalinana fatratra izany!
2- Miaina ny toe-panahy araka an’Andriamanitra (and.8)
« Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra… Ilaina ny fanaovana fanazaran-tena sy ny fampiasam-batana. Kanefa tsy tokony hadinoina fa tsara lavitra mihoatra noho izany ny fikolokoloana ny finoana sy ny fiainam-panahy. lo no lazain’i Paoly hoe: « toe-panahy araka an’Andriamanitra » (and7,8). Ny fiainana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia aseho amin’ny fitondran-tena maha kristiana: fanoherana ny fakam-panahy amin’ny endriny rehetra, fiezahana hatrany hanao izay ankasitrahan’ Andriamanitra; tsy mandany andro miady hevitra amin’ireo olona izay manimbazimba fivavahana (« anganongano fanaom-bavy antitra », hoy i Paoly).
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona ho voatariky ny fampianaran-diso?
Sampana Sekoly Alahady Foibe