Ny mpanompo mandroso sy miorina amin’ny asa tsara

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Febroary 2021

2 TIMOTY 3.14-17

2 TIMOTY 3.14-17
14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, 17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.

Ny mpanompo mandroso sy miorina amin’ny asa tsara

1-Maharitra amin’izay nampianarina azy

Tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra nampianarina azy hatramin’ny fahazazany no nahafantaran’i Timoty , ninoany sy nandraisany ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao . Mba hahatonga azy hiorina tsara amin’ny asa fanompoana dia nampahery azy i Paoly mba haharetany amin’izany . Famonjena marina sy azo antoka no noraisiny ka tsy tokony hiova na hivadibadika i Timoty . Miorina tsara sady afaka mandroso amin’ny asa fanompoana izy . Miorina tsara tamin’ny fampianarana efa nomena azy .

2-Mazoto mandray ny Tenin’Andriamanitra

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny mpino kristiana ny Tenin’ Andriamanitra . Teny voasoratra ao anatin’ny Baiboly , nampitondrain’ Andriamanitra an’ireo mpanompony nanaiky hotarihin’ny Fanahiny mba hampahafantatra ny toromarika mahasoa ny olona rehetra . Ny Tenin’Andriamanitra ampianarina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahatonga ny olona ho resy lahatra sy hino ny famonjena notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia teny manitsy ny finoana diso , teny mitarika ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra mampiavaka ny mpanara-dia Azy . Raha mazoto mamaky sy mandinika ny Tenin’Andriamanitra ny olona dia hanana toe-panahy mendrika ka handroso hatrany amin’ny asa tsara .

Fanontaniana :

Nahoana no misy olom-boafidy tsy miorina tsara sy tsy afaka manatanteraka asa tsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny olona te-hitory an’i Kristy

Zoma, 12 Febroary 2021

Ny olona te-hitory an’i Kristy 1-Manaiky hianatra mandrakariva Feno fahasahiana nitory sy nanambara ny amin’i…

Ny teny fampanantenana

Alakamisy, 11 Febroary 2021

Ny teny fampanantenana 1-Mitaky finoana amin’ny olona Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa ho tonga firenena…

Ny fandrenesana ny Tenin’Andriamani...

Alarobia, 10 Febroary 2021

Ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra 1-Mitondra fifaliana ho fankalazana Azy Nahaliana ny olona ny fampianarana ny…