Ny mpanompo mahatoky an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Desambra 2025

Sal 103. 1-5 / Hira 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 461

Salamo 131,1 - 3
1 [Fiononam-po sy fiankinana amin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko. 3 Ry Isiraely ô, manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Ny mpanompo mahatoky an’Andriamanitra
1-Manana fanetren-tena
Ny Salamo faha 131 dia milaza fiononam-po sy fiankinana mafy amin’Andriamanitra. Izany no anehoan’ny mpanao Salamo ny fanetren-tenany ka ilazany fa « tsy nirehareha ny fony« , ary tsy nisaina izay zavatra ambony izay saro-pantarina izy. Natoky izy fa Andriamanitra no manandratra ny mpanetry tena. Tsy nila vaniny tamin’ Andriamanitra izy, na hila voatsiary ka hanery an’Andriamanitra hanao izay zavatra tsy natao ho azy. Indraindray tokoa mantsy isika olombelona, lasa diso hanta na diso fangataka amin’ Andriamanitra, ka mitady ny zavatra tsy sahaza antsika satria mihevitra fa mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra. I Davida dia nanana fahononan-tena.
2-Mahay mankasitraka
Ny fahaizana mampionon-tena nanan’i Davida manoloana ny fitantanana sy fandaharan’Andriamanitra ny fiainany dia nataony nahafaly azy; satria nihevitra izy fa izay no mahasoa azy. Nataony ampy izay nataon’Andriamanitra taminy. Hoy mantsy ny andininy faha 2 io araka ny DIEM dia manao hoe « Afa-po sy milamina aho toy ny zaza voky ampofoan-dreniny, eny toy ny zaza voky izany no fahatonian’ny foko ato amiko« . Izany hoe: afa-po izy ka tsy manan-javatra irina mihoatra izay nomanin’ny reniny ho azy, izay mahafantatra tsara ny sakafo zaka sy mahasoa ny zanany. Indraindray tokoa ry havana dia ny tsy fahaizantsika mampionon-tena sy mankasitra an’Andriamanitra no tena fototry ny fahoriana foronina. I Jesoa dia nahay nankasitraka.
Fanontaniana:
Mahay mankasitraka an’ Andriamanitra amin’ny fiainana nataony ho anao ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe