Ny maha-Izy Azy ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Febroary 2020

SALAMO 33.1-10

SALAMO 33.1-10
1 [Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana. 2 Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo. 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana. 4 Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa. 5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany. 6 Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra. 7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy. 8 Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao. 9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany. 10 Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.

Ny maha-Izy Azy ny Tenin’Andriamanitra

Manana anjara toerana teo amin’ny fanatanterahan’ Andriamanitra ny asany ny Teniny .

1-Teny mahitsy .

« Fa mahitsy ny Tenin’i Jehovah« , izay azo adika hoe: marina , azo antoka , azo iankinana.Niseho tamin’ny fanatanterahan’ Andriamanitra ny asany izany :asa marina , asa tsara , asa mahakasika ny fiainan’ny zanak’olombelona. Misitraka ny famindrampon’Andriamanitra sy ny fahatsarany tokoa ny mananaina rehetra.

2-Teny manankery

Ampahatsiahivina amin’izao salamo izao ny asan’ny Tenin’ Andriamanitra tamin’ny fahariana izao tontolo izao . Teny miasa , teny mpahary ny Tenin’ Andriamanitra .Teny nampiova ny zavatra rehetra .Teny manankery sy manam-pahefana amin’ny zava-boahary rehetra izany. Tsarovy mampandresy anao amin’ny fotoana sarotra ny Tenin’Andriamanitra raha mino marina ianao.

3-Teny mandresy lahatra

Resy lahatry ny asan’ny Tenin’ Andriamanitra ny mpanompony .Mitaona ny olo-marina hidera an’Andriamanitra izy .Olo-marina afaka hiatrika ny Voninahitr’Andriamanitra , afaka mitoetra ao amin’ny fitoerany masina . Rehefa izany koa anefa dia mitaona ny olona rehetra mahita ny asan’Andriamanitra mba hatahotra an’ Andriamanitra izy .Izany dia tahotra ho fanajana sy fanomezana voninahitra Azy marina tokoa.

Fanontaniana:

Mitondra inona amin’ny finoana ny fahamarinan’ny Tenin’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny tenin’ny Fahasoavana

Zoma, 14 Febroary 2020

Ny tenin’ny Fahasoavana Mananatra ny loholon’ny Fiangonana tao Efesosy i Paoly Apostoly .Handao izy ,…

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …