Ny lalan’ny finoana dia lalan’ny fankatoavana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Septambra 2025

Sal 149.1-4 / HF 13 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 512,1

Josoa 5,2 - 12
2 [Ny namorana ny olona izay nateraka tany an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan'ny mana] Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely. 3 Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota. 4 Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta. 5 Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa. 6 Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. 7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana. 8 Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany. 9 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala* mandraka androany. [Gilgala = Fanakodiavana] 10 Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay* any Jeriko.[Heb. ArabĂ ] 11 Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango. 12 Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.

Josoa 5.2-12

Ny lalan’ny finoana dia lalan’ny fankatoavana

Izany no azo amintinana ity tantara ity.

1. Iza no mino ka mankato eto?

I Josoa mpitarika sy ny lehilahy Israelita. Samy tsy maintsy mino ny tenin’i Jehovah sy mankato Azy na ny Mpitondra na ny vahoaka.

2. Inona no nankatoaviny noho ny finoany?

Ny famorana, izay mariky ny fanekena manokana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama sy ny taranany, araka ny Gen. 17,1-14.

Tena fidirana ao amin’io Fanekena io, ka mariky ny finoana, ny naneken’ireo lehilahy Israelita ireo izao famorana faobe azy ireo. na efa olon-dehibe, aza izy; na maharary aza!

3. Inona no vokatr’izany finoana izany?

a) Afaka tanteraka ny latsan’ny Egyptiana nanandevo azy ireo, fa tafiditra soa aman-tsara tao Kanana ny Zanak’i Israely (and.9). 40 taona aty aoriana.

b) Afa-nankalaza ny Paska voalohany tao Kanana izy ireo (and.10): Paska nahatsiarovana ny lasa, iatrehany ny ankehitrininy, itsinjovany ny hoaviny!

d) Nisitraka voalohany ny vokatry ny tany Kanana, izay tondra-dronono sy tantely, izy ireo; ka nitsahatra ny mana, fihinany tany an’efitra (and.11-12).

Fanontaniana :

lanao ve vonona hankatĂ´, na maharary aza?

Mankato dia voatahy!

Sampana Sekoly Alahady