Ny lalàn’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Oktobra 2025

Sal.119.171-175 / HF 7 /.Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 6

Deoteronomia 31,9 - 13
9 Dia nosoratan'i Mosesy izany lalĂ na izany ka natolony ireo mpisorona, taranak'i Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely rehetra. 10 Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, 11 ka avy hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan'ny Isiraely rehetra ny tenin'ity lalĂ na ity hihainoany azy. 12 Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanĂ nanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalĂ na ity. 13 Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.

Deoteronomia 31. 9-13

Ny lalàn’Andriamanitra

1- Ambara ny olona rehetra

«… Dia aoka hovakinao eo anatrehan’ny Isiraely rehetra ny tenin’ity lalana ity hihainoany azy. » (And. 11). Tamin’ny andron’i Mosesy, dia novakiana intelo isan-taona teo amin’ny lehilahy rehetra ny Lalana. Ary taty aoriana, teo amin’ny Alitara tao Jerosalema no nanaovana izany. Eo anatrehan’ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy madinika, ary ny vahiny no amakiana ny Lalana. Natao ho an’ny olona rehetra ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ho an’ny olona manokana. Tsy misy karazan’olona na sokajin’olona tsy tokony hahalala ny Soratra Masina. Ary izany no mahatonga ny Filazantsara tsy maintsy toriana amin’ny olona rehetra.

2- Natao hotandremana

« … Hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalana ity. » (And. 12). Rehefa vakiana eo anatrehan’ ny olona rehetra ny Lalana dia mitarika ny tsirairay ho amin’ny fandinihan-tena. Mihaino, mianatra, mitandrina, ary mampihatra izany. Natao hankatoavin’ny olona rehetra mandre azy ny lalàna, eny, hatramin’ny taranaka mifandimby. Araka izany, ny Kristiana ankehitriny koa, isaky ny mandre toriteny, fampianarana, hafatra avy amin’ny Soratra Masina dia tokony hanontany tena hoe: « ahoana ny fomba hiainako izany »? Mitaky fankatoavana avy amintsika ny fandrenesana ny hafatra avy amin’ny tenin’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba iainanao ny tenin Andriamanitra renao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe