Ny làlana itondran’Andriamanitra ny olony
Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Janoary 2026
Sal 145.1-5 / Hira 165;1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 627:1-2
Eksodosy 15,22 - 26
22 [Ny nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny efitra Sara, sy ny nitobiany tao Mara] Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano. 23 Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara 24 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay? 25 Ary dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy, 26 ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.Sal145.1-5/Hira165;1-2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira627:1-
Eksodosy 15.22-26
Ny làlana itondran’Andriamanitra ny olony
1-Izay hahafahany maneho ny famonjeny
Ny lalana rehetra izay nizoran’ny zanak’Israely nivoaka ny tany Egypta dia notarihin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny andri-afo sy andri-rahona. Tsy izy ireo no nisafidy izay lalana tiany hizorana. Izany no nitarihan’i Mosesy azy irco. Tsy nisy moramora ireny amin’ny maha tany efitra azy, fa saika nahitana sakana goavana sy olana mihatra aman’aina sy nangidy avokoa. Ny tsy fisian-drano azo sotroina no niseho teto, ka nahatonga azy ireo nimonomonona sy nanome tsiny an’i Mosesy sy Andriamanitra mihitsy. Tsy kisendrasendra ireny fa fandaharan’Andriamanitra hahafahany maneho fa mpamonjy hatrany sy tsy manary Izy, ka vahany hatrany ny olana. Aza kivy raha misedra olana isika ankehitriny fa lalana itondrany hizahany toetra antsika sy hanehoany ny famonjeny izany.
2-Izay hahafahany mampianatra ny didiny.
dia Rehefa novahan’Andriamanitra ny olan’ny rano nampianarin’Andriamanitra izy ireo fa raha tsy tian’izy ireo ny hampiharan’Andriamanitra aminy ny loza toy izay nataony tamin’ny Egyptiana, dia tsy maintsy mazoto mihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny izy ireo, ary hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny Lalany ary hitandrina ny didiny. Izany ihany no fisorohana ny loza ho avy, koa aleo misoroka toy izay mitsabo. Andriamanitra irery ihany no mahavaha ny olana, ary ny hazo natsipy nanova ny rano ho mamy dia tandindon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy izay manova ny mangidy eo amin’ny fiainantsika mpino ho tonga fiainana.
Fanontaniana:
Mino ve ianao fa ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy tokoa no afaka manova sy manome fianana ho anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe