Ny lalàn’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Febroary 2020

SALAMO 19.7-11

SALAMO 19.7-11
7 Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina. 8 Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso. 9 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. 10 Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra. 11 Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.

Ny lalàn’ Andriamanitra

1-Manambara ny fitiavany (and7)

Ny hevitry ny andianteny hoe: « mamelombelona ny fanahy » dia manana ny fomba fisainana mifanaraka amin’ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny fitiavany. Vavolombelon’ny sitrapon’ Andriamanitra manoloana ny vahoakany ny lalàna . Tsy raisina ara-bakiteny sy araka ny hevitra ambarany dia fanajana ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny fitiavany ny vahoakany izany . Ao amin’ny lalàna ihany anefa no hahatakarana izany , izay tsy hafa akory fa ny finoana an’i Jesoa Kristy (Rom 3.21,22) . Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany no hahatakaran’ny olona ny fitiavan’ Andriamanitra azy sy ny fahamasinany .

2-Manambara ny fahamarinany (and 8)

Voambolana maromaro no ampiasaina entina ilazana ny toetran’ny lalàn’i Jehovah eto : »tsy misy tsiny » « mahitsy », »madio », »marina », ny lalàna no manambara ny fahamarinan’ Andriamanitra . Ary izany lalàana izany no manoro ny làlana tokony halehan’ny olona . Mitarika ny olona amin’ny làlana marina ny lalàn’i Jehovah , lalana madio ary mitondra fifaliana . Ary izany lalàna izany no mitarika ny olona ho ao amin’i Jesoa Kristy , Ilay fahamarinana (Jao 14.6) dia Jesoa Kristy , Ilay ambaran’ny lalàna . Koa izay rehetra mamaky sy mandinika lalàna tsy ao amin’i Jesoa Kristy dia ho diso làlana .

Fanontaniana:

Tsapanao ve ny fitiavan’ Andriamanitra anao amin’ny fiainanao ny lalàna?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny tenin’ny Fahasoavana

Zoma, 14 Febroary 2020

Ny tenin’ny Fahasoavana Mananatra ny loholon’ny Fiangonana tao Efesosy i Paoly Apostoly .Handao izy ,…

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …