Ny iraka rehetra dia miaraka amin’ny fahefana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Aprily 2026

Sal 95, 1-5 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 630

Lioka 8,22 - 25
22 Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy. 23 Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo. 24 Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. 25 Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
Ny iraka rehetra dia miaraka amin’ny fahefana
Hoy i Jesoa Kristy tamin’ny mpianany:
Andeha isika ho eny ampitan’ny farihy
Araka izany dia mila mandeha mandrakariva, mila manao zavatra, mila miasa hatrany ny olona miaraka amin’i Jesoa Kristy fa tsy mipetra-potsiny akory. Andriamanitra mantsy dia miasa hatrany ka mila manahaka Azy koa ny mpanara-dia Azy.
Natory anefa i Jesoa
Izany zavatra izany dia mampiseho fa tsy mandeha ho azy akory ny zavatra atao rehetra, na ny fiainana manontolo mihitsy fa misy olana sy sakatsakana hatrany. Raha nandeha niampita ny farihy izao izy ireto dia nisedra tafio-drivotra. Ny toe-javatra miseho eto anefa dia mampiseho fa manana vahaolana amin’izany i Jesoa Kristy; koa mila miantso Azy ny olona misedra olana. Izay tiana hambara amin’ny hoe matory Izy dia izao: eo akaikin’ny olona Izy fa mila miantso Azy ny olona, eo akakin’ny olona Izy fa mahatsiaro Azy sy mila vonjy Aminy ve ny olona?
Mahafchy ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy
Nasehony tamin’ny mpianatra fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy satria Andriamanitra manam-pahefana amin’ny zavatra rehetra Izy.
Fanontaniana:
Mahatsapa ve ny olona fa eo akaikiny eo i Jesoa Kristy ary manana vahaolana amin’ny zava-tsarotra sedrainy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady 

Mofon'aina teo aloha

Ny fanomanana ny Paska

Talata, 31 Martsa 2026

Ny fanomanana ny Paska 1-Ny nataon’i Jodasy Samy sahirana amin’ny zavatra izay heveriny hatao na…

Ny fiainana kristiana

Alatsinainy, 30 Martsa 2026

Ny fiainana Kristiana 1-Fitiavana ny olona rehetra Ny Filazantsara araka an’i Lioka no mampahatsiahy antsika…

Ilay Mpanjakan’i Ziona

Alahady, 29 Martsa 2026

Ilay Mpanjakan’i Ziona 1-Feno fanetren-tena Ny « … mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora » (and 9a). Mesia…